FIHOMEHEZANA
Tsehôk sy sehôk no teny hebreo nadika hoe fihomehezana. Milaza ilay manam-pahaizana hoe Gesenius fa mitovy amin’ny feon’olona mihomehy ny fanononana an’ireo teny hebreo ireo (toa an’ilay teny malagasy hoe “mikakakaka”). Mitovy amin’ny feon’olona mihomehy koa ny fanononana ny anaran’i Isaka hoe Yitshak, izay midika koa hoe “Fihomehezana.”
Nilazan’ny anjely i Abrahama sy Saraha fa hitera-dahy na dia efa antitra aza. Nihomehy àry izy mivady. Tsy nanarina noho izany i Abrahama, fa i Saraha kosa notenenina mafy nefa nanda hoe tsy nihomehy. Gaga sady faly angamba i Abrahama satria hoe hitera-dahy aminy i Saraha na dia efa lahiantitra aza izy, ka izay no nampihomehy azy. Hafahafa tamin’i Saraha kosa angamba ilay hoe vaviantitra efa momba nefa mbola hiteraka, ary izay no nampihomehy azy. (Ge 17:17; 18:9-15) Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy nihomehy naneso na namazivazy izy ireo. Voalaza mantsy fa samy nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy mivady. (Ro 4:18-22; He 11:1, 8-12) Niteraka lahikely izy ireo, ka azo antoka fa faly satria tanteraka ny nofinofiny efa hatry ny ela be. Nomen’i Abrahama anarana ilay zaza, ary hoy i Saraha avy eo: “Nataon’Andriamanitra izay hihomehezako, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra mandre izany.” (Ge 21:1-7) Azo inoana fa gaga sy faly koa ny olon-kafa rehefa nandre an’ilay vaovao tsara hoe notahin’i Jehovah i Abrahama sy Saraha.
Fotoana ihomehezana. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ary tiany koa raha falifaly ny mpanompony. (1Ti 1:11) Milaza anefa ny Soratra Masina fa “misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana.” (Mpto 3:1, 4) Manoro hevitra antsika i Solomona mpanjaka hendry hoe: “Mandehana, hano amim-pifaliana ny sakafonao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, satria sitrak’Andriamanitra ny asanao.” Raha tsy mifanaraka amin’ny fitsipika marin’Andriamanitra anefa izay ataon’ny olona iray, dia tsy marim-pototra ny antony ifaliany.—Mpto 9:7.
Fotoana tsy tokony hihomehezana. Tena zava-dehibe ny miezaka ho tsara laza eo anatrehan’i Jehovah. Misy zavatra mampihomehy ny olona eto amin’ity tontolo ity àry tsy tokony hampihomehy antsika mihitsy sady tena mety hampidi-doza antsika. Hoy i Solomona: “Namantatra ny atao hoe hadalana aho mandra-pahitako hoe inona no tsara ho an’ny zanak’olombelona, amin’izay ataony.” Hoy izy anakampo rehefa avy eo: “Aoka ny fifaliana no hizahako toetra anao, ka aoka ianao ho finaritra amin’ny zava-tsoa.” Hitany anefa fa zava-poana ihany izany, ary tsy hoe rehefa mifalifaly sy mihomehy dia tena ho afa-po, satria tsy tena mitondra fahasambarana maharitra izany. Zavatra hafa mihitsy no tena ilaina raha tiana haharitra sy hampahery ny fifaliana. Hoy i Solomona: “Hoy aho tamin’ny fihomehezana: ‘Hadalana!’, ary tamin’ny fifaliana: ‘Tsy mitondra mankaiza!’”—Mpto 2:1-3.
Nilaza i Solomona fa hendry ny olona raha tsy variana mikatsaka fahafinaretana fotsiny. Hoy izy: “Aleo mankany amin’ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin’ny trano misy fanasana, satria fahafatesana no iafaran’ny olombelona rehetra, ka hisaintsaina izany ny velona.” Tsy midika anefa izany hoe aleo malahelo toy izay faly. Miresaka momba ny fotoana ahafatesan’ny olona iray sy isaonan’ny ao an-trano kosa izy eo. Aleo mankany amin’izany trano izany mba hampahery an’ireo mana-manjo toy izay ho variana hifalifaly sy hanao fety ka tsy hiraharaha azy ireo. Sady hampahery an’ireo mana-manjo izany no hampahatsiahy an’ilay mamangy hoe fohy ihany ny fiainana, ary mety ho faty koa izy na ho ela na ho haingana ka tokony hitadidy izany foana ny velona. Raha mbola velona ny olona no afaka miezaka ny hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra, ary izany laza tsara izany no hany zava-tsarobidy indrindra ananan’izay ho faty.—Mpto 7:2; Ge 50:10; Jn 11:31.
Hoy ihany i Solomona: “Aleo alahelo toy izay fihomehezana, satria manatsara fo ny endrika manjombona.” (Mpto 7:3) Marina fa fanafody mahasalama ny mihomehy nefa ilaintsika koa indraindray ny tsy mihomehy fa mandinika tsara ny fiainana sy ny fomba fiainantsika. Raha hitantsika mantsy fa mandany fotoana be loatra amin’ny fety isika fa tsy miezaka mba hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra, dia rariny raha tezitra amin’ny tenantsika isika, malahelo, ary te hiova. Hanatsara ny fontsika izany. Hanampy antsika hanana laza tsara izany, ka ho tsara noho ny andro nahaterahantsika ny andro ahafatesantsika na ny fotoana farany hanaovan’Andriamanitra sy Kristy fanaraha-maso antsika.—Mpto 7:1.
“Ao amin’ny trano misy fisaonana ny fon’ny hendry, fa ao amin’ny trano misy fifaliana kosa ny fon’ny adala”, hoy i Solomona. “Aleo mihaino ny anatra mafy omen’olon-kendry toy izay mandre ny hiran’ny adala.” (Mpto 7:4, 5) Tsy te hitsikanikany ny olona ao amin’ny trano misy fisaonana. Maotina toy izany koa ny olon-kendry rehefa ao amin’ny trano misy maty, ary mahatonga azy handinika tsara ny fomba fiainany izany. Mahasarika ny adala kosa ny toe-tsaina tia mitokelaka fahita ao amin’ny trano misy lanonana feno filibana, ka tsy misaina firy sy manaonao foana izy. Ny anatra mafy omen’ny olon-kendry anefa dia hanampy an’izay niala tamin’ny lala-mahitsy, mba hiverina eo amin’ny lalan’ny fiainana. Hanitsy azy mantsy izany sady hanampy azy hiezaka hanana laza tsara indray. Mety hahasoa kosa ve ny hiran’ny adala, izany hoe ny fandokadokafany? Manarontsarona fahadisoana sy mahatonga antsika hikiry hanao ratsy izany, ka vao mainka aza handrisika antsika ho ratsy laza eo anatrehan’i Jehovah fa tsy hanitsy ny tenantsika mba ho tsara laza.
“Toy ny firefotry ny tsilo ao ambany vilany ny fihomehezan’ny adala. Zava-poana koa izany.” (Mpto 7:6) Mora miredareda ny tsilo, nefa mora levona koa. Mba nandrehitra afo ianao, nefa tsy nahamasaka ny tao am-bilany akory ilay izy. Miredareda sy mipoapoaka ary mirefodrefotra erỳ ilay izy, nefa zava-poana sy tsy misy vokany. Toy izany mihitsy ny tsikanikany sy ny hadalan’ny adala. Mankadilo sofina ny hehiny, satria amin’ny fotoana tsy tokony hihomehezana, ka mahasorena fa tsy mampahery. Tsy manampy na iza na iza hiezaka ho tsara laza izany. Raha tsara laza anefa ny olona iray, dia hotsaroan’Andriamanitra foana ny anarany ary ho azo antoka fa ho tsara kokoa noho ‘ny andro nahaterahany ny andro ahafatesany.’
Fihomehezana miova ho alahelo. Hoy i Jesosy Kristy tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra: “Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.” Hoy koa izy: “Lozanareo izay mihomehy ankehitriny, fa halahelo sy hitomany ianareo.” (Lk 6:21, 25) Azo inoana fa ireo nalahelo noho ny fivavahan-diso nanjaka teo amin’ny Israely no tian’i Jesosy holazaina eo. Nilaza izy fa mety hiova ho fihomehezana ny tomanin’izy ireo raha nino Azy izy ireo. Mety hanjary halahelo kosa ireo nihomehy sy nifaly tamin’ny fiainana nefa tsy niraharaha ny hoavy. (Ampit. Lk 16:19-31.) Nampirisika an’ireo Kristianina nanana ny toe-tsain’ity tontolo ity i Jakoba rahalahin’i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho ory, ary malahelova sy mitomania. Aoka ny fihomehezanareo hanjary ho alahelo, ary ny fifalianareo ho fahakiviana. Manetre tena eo anatrehan’i Jehovah, dia hanandratra anareo izy.” (Jk 4:4, 9, 10) Tena ho sambatra tokoa izay hasandratr’Andriamanitra toy izany.
Mihomehy maneso. Matetika no natao hanesoana ny fihomehezana, ao amin’ny Soratra Masina. Midika hoe ‘mihomehy maneso’ sy ‘manao ho fihomehezana’ koa ilay matoanteny hebreo hoe tsahak (mihomehy).—Ge 21:9; 39:14.
Na ny biby aza voalaza fa mihomehy maneso. Toy izany no ataon’ny aotirisivavy. Voalaza fa ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy, satria mahery mandeha kokoa izy. Toy izany koa ny soavaly: Ihomehezany fotsiny ny tahotra rehefa mandeha miady izy, satria matanjaka sy tsy matahotra mihitsy izy. (Jb 39:13, 18, 19, 22) Toy izany koa ny voaibe (Leviatana): Ihomehezany fotsiny ny feon’ny lefom-pohy, satria tena mafy be ny hodiny.—Jb 41:1, 29.
Maro no nihomehy naneso an’ireo mpanompon’Andriamanitra, ka tsy maintsy niaritra izany izy ireo. Hoy i Joba: “Manjary ataon’ny olona ho fihomehezana aho.” (Jb 12:4; 30:1) Nataon’ny mpiara-belona taminy ho fihomehezana foana koa i Jeremia. (Je 20:7) Nihomehy naneso an’i Jesosy Kristy koa ny olona, talohan’ny nananganany ny zanakavavin’i Jairo. (Mt 9:24; Mr 5:40; Lk 8:41-53) Na izany aza, dia faly foana ireny olona ireny satria neken’izy ireo fa mahery sy hendry Andriamanitra ka nankatoaviny.—Mt 5:11, 12.
Voalaza fa mihomehy maneso i Jehovah Andriamanitra rehefa mahita an’ireo firenena mirehareha erỳ nefa tsy mankaiza akory, sy mahita ny korontana vokatry ny hadalan’ireo firenena manohitra azy. (Sl 59:8) Fantany tsara fa izy no Mahery Indrindra ary tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany, ka ihomehezany fotsiny ireo firenena, izay mba miseho manohitra azy sy ny vahoakany nefa tsy mahavita inona akory. (Sl 2:1-4) Azo antoka fa mitandrina tsara ny olona hendry mba tsy hahatonga an’i Jehovah hihomehy azy. (Oh 1:26) Tsy mampanahy an’i Jehovah ny tetika ataon’ny ratsy fanahy hamelezana ny vahoakany. Ihomehezany fotsiny izany satria efa tsinjony ny fotoana hanafahana ny olo-marina sy hampandamòka ny teti-dratsin’ny ratsy fanahy ary hanafoanana mandrakizay ny faharatsiana. (Sl 37:12, 13, 20) Tsy midika anefa izany hoe mahafaly an’i Jehovah ny hahafatesan’ny ratsy fanahy.—Ezk 18:23, 32.