FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Libna”
  • Libna

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Libna
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lakisy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hamotala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Rabsake
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sankeriba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Libna”

LIBNA

(Libnà) [avy amin’ny fototeny midika hoe “fotsy”; na mety hidika hoe “hazo stiraksa”].

1. Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. Tsy fantatra izay tena nisy azy io.​—No 33:20, 21.

2. Tanànan’ny mpanjaka kananita, resin’i Josoa talohan’ny nahazoany an’i Lakisy. (Js 10:29-32, 39; 12:15) Iray tamin’ireo tanàna tao amin’ny faritanin’i Joda izay nomena ny “taranak’i Arona” i Libna. (Js 15:21, 42; 21:13; 1Ta 6:57) Nonina tao ny rafozandahin’i Josia Mpanjaka, taonjato maro tatỳ aoriana.​—2Mp 23:31; 24:18; Je 52:1.

Nikomy koa ny tao Libna rehefa nikomy tamin’i Jorama mpanjakan’ny Joda ny Edomita, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. (2Mp 8:22; 2Ta 21:10) Tamin’ny taona 732 T.K., dia nankany Libna ny tafik’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. Avy tany Lakisy izy ireo ary tany i Sankeriba no nandefa andia-miaramila handrahona an’i Jerosalema. Rehefa tao Libna ny Asyrianina dia nandre tatitra fa mitady hanafika azy ireo i Tiraka mpanjakan’i Etiopia. Nandefa iraka fanindroany nitondra taratasy àry i Sankeriba mba hampihorohoro an’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, ka hahatonga an’i Jerosalema hitolo-batana. Tamin’izay ny anjelin’i Jehovah no nahafaty Asyrianina 185 000, izay toa mbola nitoby teo akaikin’i Libna.​—2Mp 19:8-35; Is 37:8-36.

Misy milaza an’ilay Libna fahiny ho i Tell es-Safi. Voaporofo anefa fa i Gata no Tell es-Safi. Manam-pahaizana maro àry ankehitriny no milaza an’i Libna ho i Tell Bornat (Tel Borena), tokony ho 8 km any avaratra avaratratsinanan’i Lakisy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara