FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Androngo”
  • Androngo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Androngo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Androngom-pasika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Hoditry ny Androngo Matsilotsilo
    Mifohaza!—2015
  • Ny Rambon’ny Androngo
    Mifohaza!—2013
  • Homta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Androngo”

ANDRONGO

[Heb.: tsav].

Biby mandady misy tongony efatra, kelikely, lava rambo ary misy kirany ny hodiny. Tsy voatery mamoritra tongotra izy na dia rehefa apetany amin’ny tany aza ny kibony, satria somary mihataka amin’ny vatany ny tongony efatra. Misy karazany 40 mahery any Palestina. Ahitana azy ireny eny amin’ny hazo, rindrina, valin-drihana, ary eny an-tsefatsefa-bato. Anisan’ny “biby [maloto] mifanaretsaka” ny androngo. (Le 11:29) Avy amin’ny fototeny midika hoe “miraikitra amin’ny tany”, hono, ny teny hebreo nadika hoe “androngo” ao amin’ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy nataon’i Brown sy Driver ary Briggs (1980, p. 839). Anisan’ny tsav (heb.) ny fianakaviamben’ny androngo (Agamidae), matoa hoe dabb (teny arabo mitovy dika amin’ny hoe tsav) no iantsoana ny androngo ejipsianina (Uromastix aegyptius), izay karazana Agamidae lehibe indrindra any Israely.​—Jereo ANDRONGOM-PASIKA; KATSATSAKA; TANALAHY.

Karazana androngo koa ny hoe kôah (heb.), araka ny diksionera. Mety ho ny karazany lehibe sy matanjaka fahita any an-tany efitra (Varanus griseus) izy io, satria midika hoe “hery” na “tanjaka” ny fototeniny. Monina amin’ny faritra maina sy be fasika izy io, ary mahatratra 1,2 m eo ho eo ny halavan’ireo hita any Palestina. Mpihinana fatim-biby izy io, ary anisan’ny sakafo “maloto.”​—Le 11:29, 30.

Anisan’ny biby maloto tsy azon’ny Israelita nohanina koa ny hômet (heb.), izay adikan’ny Baiboly maoderina sasany (TV) hoe “androngom-pasika.”​—Le 11:30.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara