FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Herin’ny Maizina”
  • Herin’ny Maizina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Herin’ny Maizina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampidi-doza ve ny Fanaovana Majika?
    Mifohaza!—1994
  • Ny Marina Momba ny Famosaviana sy Fanaovana Ody
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Ratsy ny Manao Ody
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mpilalao Ody
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Herin’ny Maizina”

HERIN’NY MAIZINA

Hery miafina heverina fa mahatonga ny olona iray hahavita zavatra tsy mahazatra; misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina.

Misy, hono, ody “ratsy” natao hanozonana na hamosaviana ny fahavalo. Misy kosa, hono, ody “tsara” miaro amin’ny herin’ny ody “ratsy” na amin’ny ozona. Voaheloka ho faty izay nampiasa ody ratsy na namosavy, teo amin’ny firenena fahiny sasany. Ny Baiboly kosa mandrara ny asan’ny maizina rehetra. (Le 19:26; De 18:9-14) Mahazo fahalalana sy fahendrena manokana, hono, ireo mampiasa herin’ny maizina, ka afaka mibaiko olona sy mifehy izay hitranga amin’ny hoavy. Ny mpisikidy kosa miezaka hahafantatra ny hoavy fotsiny.​—Jereo SIKIDY.

Mihevitra ireo mpampiasa herin’ny maizina fa azo ampidirina na avoaka ao amin’ny olona iray ny fanahy ratsy, azo fitahina, ary azo fandrihana ao anaty tapa-kazo na sarivongana tanimanga. Misy, ohatra, mihambo ho afaka mibaiko an’ireo demonia araka izay tiany, raha manamboatra lalankely amin’ny tantely na zavatra tsara hafa.

Nanana fahefana be àry ny mpisorona fahiny nampiasa herin’ny maizina. Notakiny vola be ireo olona nanatona azy. Nihambo ho nanan-kery lehibe sy afaka nibaiko demonia mantsy izy ireny. Nino koa ny olona fa afaka nifehy demonia izy ireny, fa ny demonia kosa tsy nanana fahefana taminy.

Ny Kaldeanina tany Babylonia fahiny no voalohany nampiasa herin’ny maizina. Noresahin’i Isaia tamin’ny taonjato fahavalo T.K. fa be mpilalao ody tao Babylona. (Is 47:12-15) Mbola nisy mpisorona nampiasa herin’ny maizina tao an-dapan’i Babylona, 100 taona mahery taorian’izay, tamin’ny andron’i Daniela. (Da 1:20; 2:2, 10, 27; 4:7; 5:11) Mahadika tsara ny teny hebreo ilay hoe “mpisorona mampiasa herin’ny maizina” sady izay no dikany ara-bakiteny.

Tena natahoran’ny Babylonianina ny olona sampontsampona satria noheveriny ho mpamosavy. Nampiasa ody “tsara” kosa, hono, ny mpisorona. Nahasitrana olona narary, hono, ny teny miverimberina nolazain’ny mpisorona, fa nahafaty an’ilay olona kosa raha mpamosavy no niteny an’ilay izy.

Niparitaka eran-tany ny olona rehefa nasafotofoto ny fitenin’izy ireo tao Babela, ka niely niaraka taminy koa ny zavatra ninoany momba ny asan’ny maizina. (Ge 11:8, 9) Milaza teny na hira na vavaka mifono heviny miafina, ohatra, ny Hindoa an-tapitrisany. Ahitana mpisorona mampiasa herin’ny maizina, mpimasy, dadarabe na mpitaiza, ary mpilalao ody na aiza na iza eran-tany, toy ny tany Ejipta ihany tamin’ny andron’i Josefa (taonjato faha-18 T.K.). (Ge 41:8, 24) Toa nahavita hoatran’ireo fahagagana telo voalohany nataon’i Mosesy ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina tany Ejipta, 200 taona mahery taorian’ny nivarotana an’i Josefa ho andevo. (Ek 7:11, 22; 8:7) Tsy nahavita nampisy moka anefa izy ireo ka niaiky hoe: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!” Tsy nahasakana ny vay tsy hipoipoitra teny aminy koa izy ireo.​—Ek 8:18, 19; 9:11.

Melohin’ny Baiboly. Tsy mitovy amin’ireo bokin’ny firenena fahiny mihitsy ny Baiboly, satria melohiny daholo izay rehetra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe mety ny mampiasa ody “tsara” mba hiarovan-tena amin’ny ody “ratsy.” Resahiny kosa fa ny finoana sy ny vavaka ary ny fatokisana an’i Jehovah no miaro amin’ny “fanahy ratsy” sy ny asany rehetra, anisan’izany ny herin’ny maizina. (Ef 6:11-18) Hita ao amin’ny Salamo ny vavaky ny olo-marina izay mangataka mba hafahana amin’ny ratsy. Nampianatra antsika hivavaka mba hafahana “amin’ilay ratsy” koa i Jesosy. (Mt 6:13) Ahitana finoanoam-poana sy zava-mampahatahotra kosa ao amin’ny Talmoda sy Kôrana. Ahitana tantara tsy mampino momba ny fampiasana herin’ny maizina koa ny bokin’i Tobia, izay tsy anisan’ny Baiboly.​—Tobia 6:5, 8, 9, 19; 8:2, 3; 11:8-15; 12:3; jereo APOKRIFA (Tobia).

Nifady ny asan’ny maizina ny firenen’Israely, tsy toy ny firenen-kafa. Tian’i Jehovah ho toy izany foana izy ireo ka nomeny lalàna mazava tsara momba an’ireo nampiasa ny herin’ny maizina, toy ny hoe: “Vonoy ho faty ny vehivavy mpilalao ody.” (Ek 22:18) “Aza ... mampiasa herin’ny maizina.” “Tsy maintsy vonoina ho faty ny lehilahy na ny vehivavy mpamoha angatra na itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy.” (Le 19:26; 20:27) “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona ... mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra.”​—De 18:10-14.

Nilaza koa i Jehovah fa hofoanany tsy hisy intsony ny mpilalao ody rehetra. (Mi 5:12) Niala tamin’i Jehovah i Saoly sy Jezebela ary Manase, ka nilalao ody na nampiasa herin’ny maizina. Tsy tokony hanahaka azy ireo mihitsy isika.​—1Sa 28:7; 2Mp 9:22; 2Ta 33:1, 2, 6.

Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa be mpilalao ody nanerana ny Fanjakana Romanina, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. Mpilalao ody, ohatra, i Barjesosy tany amin’ny nosy Sipra. Nilaza i Paoly fa “feno an’izao karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra izao, sady zanaky ny Devoly” izy io. (As 13:6-11) Tsy nampiasa herin’ny maizina intsony kosa izay lasa Kristianina. Anisan’ireny i Simona avy any Samaria. (As 8:5, 9-13) “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina” tany Efesosy koa “no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka hitany fa farantsa volafotsy dimy alina [na 37 200 dolara, raha denaria ilay farantsa].” (As 19:18, 19) Nilaza tamin’ireo Galatianina i Paoly fa anisan’ny “asan’ny nofo” ny filalaovana ody. Nampitandrina àry izy hoe: “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Ga 5:19-21) Ho any ivelan’io Fanjakana be voninahitra io ireo mikiry manao ny asan’ny maizina, izay fanao avy tany Babylona. (Ap 21:8; 22:15) Horinganina miaraka amin’i Babylona Lehibe izy rehetra. Mamitaka an’ireo firenena amin’ny filalaovana ody koa mantsy izy io.​—Ap 18:23; jereo HERIN’ANDRIAMANITRA (Nampiasaina tsara ny herin’Andriamanitra).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara