OLONA, OLOMBELONA
Zavamiaina ambony karazana indrindra eto an-tany. Namorona ny olona avy tamin’ny vovoky ny tany i Jehovah Andriamanitra ary nitsoka fofonaina nankao am-bavorony, “ka lasa zavamananaina ny olona.” (Ge 2:7; 1Ko 15:45) Taorian’ny namoronana an’i Adama sy nanomezany anarana ny biby, dia nataon’i Jehovah renoky ny torimaso lalina izy. Nalain’i Jehovah ny taolan-tehezany iray ka nanamboarany vehivavy. Hoy i Adama rehefa nentina teo aminy ilay vehivavy: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” Nantsoiny hoe Vehivavy, ʼish·shah, izy “satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.” (Ge 2:21-23) Nataon’i Adama hoe Eva (midika hoe “Ilay Velona”) ny anarany tatỳ aoriana.—Ge 3:20.
Misy teny hebreo sy teny grika maromaro ilazana ny hoe olona. Ireto, ohatra, ny teny hebreo sasany amin’izany: ʼAdam: “lehilahy, olombelona” (anarana iombonana);ʼish: “lehilahy, olona, lehilahy manambady”; ʼenôhsh: “olombelona mety maty”; gever: “lehilahy tomady, vatan-dehilahy”; zakar: “lahy.” Ireto kosa ny teny grika: Antrôpôs: “lehilahy, olona, olombelona” (anarana iombonana); aner: “olona, lehilahy, lehilahy manambady.”
Nohamafisin’ny apostoly Paoly fa i Jehovah no namorona ny olona. Hoy izy tamin’ny Atenianina: “Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.” (As 17:26) Razambe iray ihany àry no niavian’ny firenena sy ny firazanana rehetra.
Noforonina tamin’ny faramparan’ny “andro” famoronana fahenina i Adama sy Eva. (Ge 1:24-31) Tamin’ny 4026 T.K. i Adama no noforonina. Tsy misy porofo mihitsy hoe efa nisy olona talohan’izay, ka hoe hita ny sora-tanany, na ny fambolena na ny fiompiana nataony, na ny zava-bitany hafa. Nanomboka tamin’ny famoronana ny mpivady olombelona voalohany ny tantaran’ny olombelona, araka ny Soratra Masina. Tsy nisy àry ilay lazaina hoe “olon-dia razamben’ny olombelona.” Tsy nahitana taolan’olona-rajako mihitsy teo amin’ireo sisan-taolana lasa vato izay nofongarina avy any ambanin’ny tany. Tsy miresaka momba ny olona-rajako mihitsy koa ireo tantara fahagolan-tany, na an-tsoratra izany, na tamin’ny sarisary anaty zohy na tamin’ny sary sokitra. Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara kosa fa zanak’Andriamanitra ny olona tany am-boalohany saingy nikororosy fahana tatỳ aoriana. (1Mp 8:46; Mpto 7:20; 1Jn 1:8-10) Hoy i O. Miller, mpikaroka ny any ambanin’ny tany: “Tsy angano àry ilay lovantsofina hoe ‘tena sambatra ny olona’ taloha ela be. Nino ny olona taloha fa sambatra sy tsy nisy tsiny ny olombelona tany am-boalohany saingy nanjary nietry sy nikororosy tatỳ aoriana. Tena marina izany na dia mampalahelo aza. Tokony hovana àry ilay fiheverantsika ankehitriny hoe olon-dia no teto an-tany teo am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona. ... Tsy olon-dia velively ny olona tany am-boalohany.”—Har-Moad, 1892, p. 417.
Asehon’ny Baiboly fa nonina tao amin’ny “zaridaina tao Edena” ny olona tany am-boalohany. (Ge 2:8; jereo EDENA No. 1.) Voalaza fa tsy lavitry ny toerana nipoiran’ny kolontsaina voalohany taorian’ny Safodrano ny toerana nisy azy io. Manaiky an’izao tenin’i P. Wiseman izao ny ankamaroan’ny manam-pahaizana: “Asehon’ny porofo rehetra ananantsika avy amin’ny Genesisy, sy ny arkeolojia, ary ny lovantsofina, fa ny lemak’i Mezopotamia no toerana tranainy indrindra nisy ny olombelona. Mbola tranainy kokoa noho ny kolontsaina sinoa na karàna any amin’ny faritr’i Azia Atsimoatsinanana, ny kolontsaina any Mezopotamia satria maro ny porofo fa tany no nipoiran’ny kolontsaina voalohany.”—Zava-baovao Hita Tany Babylonia Momba ny Genesisy, 1949, p. 28.
Inona no dikan’ny hoe natao “araka ny endrik’Andriamanitra” ny olona?
Rehefa hamorona ny olombelona Andriamanitra dia hoy izy tamin’ilay “mpiasa tena mahay”: “Andeha isika hanao olona [ʼAdam] araka ny endritsika, misy itovizana amintsika.” (Ge 1:26, 27; Oh 8:30, 31; ampit. Jn 1:1-3; Kl 1:15-17.) Tsy milaza ny Baiboly hoe noforonin’Andriamanitra araka ny endriky ny bibidia na biby fiompy na trondro, ny olona. Natao “araka ny endrik’Andriamanitra” kosa izy, sady “zanak’Andriamanitra.” (Lk 3:38) “Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy” na nahita ny bikabikany na ny vatany. (1Jn 4:12) Tsy fantatsika hoe manao ahoana ny vatana ara-panahy be voninahitra ananany any an-danitra. Tsy azo ampitovina amin’ny vatan’Andriamanitra àry ny vatan’olombelona. “Andriamanitra dia Fanahy.”—Jn 4:24.
Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” ny lehilahy sy vehivavy, izany hoe afaka manana ireo toetra tsaran’Andriamanitra, toy ny fitiavana, sy fitiavana ny rariny. (Ampit. Kl 3:10.) Mahay sy hendry lavitra noho ny biby koa ny olona ka afaka mankafy ireo zavatra ankafizin’Andriamanitra toy ny zavatra tsara tarehy, ny zava-kanto, ny firesahana, ny famakafakana hevitra, sy ny zavatra hafa ampiasana ny fo sy ny saina.Tsy mahay an’izany ny biby. Afaka mahafantatra an’Andriamanitra sy mifandray aminy koa ny olona. (1Ko 2:11-16; He 12:9) Afaka misolo tena an’Andriamanitra àry ny olombelona ka hanjaka amin’ireo biby eny amin’ny lanitra sy eto an-tany ary any an-dranomasina.
Zavaboarin’Andriamanitra ny olona ka lavorary tany am-boalohany. (De 32:4) Tokony ho lavorary sy ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany àry ny taranak’i Adama. (Is 45:18) Nilazana izy sy Eva hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” Tokony hihamaro àry ny taranany ka hamboly sy hanatsara ny tany araka izay itiavan’ny Mpamorona azy.—Ge 1:28.
Efa misy rafitra napetrak’Andriamanitra momba ny toeran’ny lehilahy sy ny vehivavy. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” Nolazainy koa fa mampahamenatra ny lohany ny vehivavy raha mivavaka na maminany eo anivon’ny fiangonana, nefa tsy misaron-doha. Hoy izy nanamafy izany: “Fa tsy tokony hisaron-doha ny lehilahy satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy, fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.” Tsy fehezin’iza na iza i Jehovah. Ny lehilahy koa tsy hoatran’ny vehivavy satria tsy manana lohany eto an-tany izy, eo amin’ny fifandraisany amin’ny vady aman-janany. Azo lazaina àry hoe izy irery ihany no “araka ny endrik’Andriamanitra.” Afaka maneho ny toetran’Andriamanitra koa anefa ny vehivavy, hoatran’ny lehilahy ihany.—1Ko 11:3-7.
Afaka manao izay tiany hatao. Afaka manao izay tiany hatao ny olona satria noforonina araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy. Afaka mifidy izy na hanao ny tsara na hanao ny ratsy. Afaka mankatò amin’ny fo koa izy ka hanome haja sy voninahitra an’Andriamanitra mihoatra noho izay mety ho vitan’ny biby. Azony ampiasaina ny sainy mba hiderana an’Andriamanitra noho ireo toetrany mahatalanjona. Afaka manohana ny zony hitondra koa izy. Voafetra ihany anefa ny fahafahan’i Adama. Tsy hitohy ny fiainany sy ny fahasambarany raha tsy manaiky ny zon’i Jehovah hitondra izy. Ny zon’i Jehovah hitondra no tiana haseho tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, izay nandrarana an’i Adama. Tsy mankatò an’Andriamanitra sy mikomy amin’ny zony hitondra i Adama raha mihinana amin’izy io.—Ge 2:9, 16, 17.
“Zanak’Andriamanitra” i Adama (Lk 3:38) ka toy ny fifandraisan’ny zanaka amin’ny rainy no nisy teo amin’izy ireo. Tokony ho nankatò àry izy. Noforonina ho tia mivavaka koa ny olona. Raha tsy any amin’ny Mpamorona anefa no iantefan’io faniriana hivavaka io dia ho diso lalana ny olona sady tsy hanana fahafahana intsony. Ny zavaboary indray amin’izay no hifehy azy fa tsy ny Mpamorona. Hampikororosy ny olona izany.
Nikomy ny anjely iray ka notarihiny hanota i Eva vadin’i Adama. I Eva kosa naka fanahy an’i Adama, ary i Adama indray ninia nikomy tamin’i Jehovah. (Ge 3:1-6; 1Ti 2:13, 14) Lasa nitovy tamin’ireo olona resahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 1:20-23 izy ireo. Very ny zon’i Adama ho zanak’Andriamanitra sy ho lavorary rehefa nandika lalàna izy. Ota sy tsy fahalavorariana ary fahafatesana no lova navelany ho an’ny zanak’olombelona taranany. Vao teraka ny olombelona dia efa tsy lavorary sy tsy maintsy ho faty toa an’i Adama rainy.—Ge 3:17-19; Ro 5:12; jereo ADAMA, I No. 1.
‘Ilay olona ao anaty.’ Misy ady ataon’ny Kristianina, ary anisan’izany ny ady ataony amin’ny tenany ihany noho izy mpanota. Mampiasa teny toy izao ny Baiboly rehefa miresaka momba izany ady izany: “ny toetra maha izy ahy [a.b.t.: ilay olona ato anatiko]”, “ny tenanay anaty [a.b.t.: ilay olona ato anatinay].” (Ro 7:22; 2Ko 4:16; Ef 3:16) Mety tsara io teny hoe ‘olona ao anaty’ io, satria lazain’ny Efesianina 4:23 fa ‘nohavaozina ny hery mibaiko ny sain’ny’ Kristianina, izany hoe ny ao anatiny no havaozina. Mitarika azy hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra àry ny hery mibaiko ny sainy. Miezaka ‘hanaisotra ny toetra taloha [a.b.t.: olona taloha]’ sy hitafy “ny toetra vaovao [a.b.t.: olona vaovao]” izy ireo. (Kl 3:9, 10; Ro 12:2) Rehefa natao batisa ho amin’i Kristy ny Kristianina voahosotra, dia “natao batisa ho amin’ny fahafatesany” koa. Midika izany fa nofantsihany teo amin’ny hazo fijaliana ny toetrany taloha ‘mba tsy ho afa-manao na inona na inona ny vatany feno ota.’ Na izany aza, dia mbola miady amin’ilay ‘olona anaty’ tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ihany ny nofony mpanota. Tsy mitsahatra izany ady izany raha tsy maty sy hatsangana amin’ny maty izy. Ady mafy izy io, satria hoy i Paoly: “Mitoloko tokoa isika ato amin’ity trano fonenana ity.” Raha miady anefa ireny Kristianina ireny mba tsy ho resin’ny fanirian’ny nofo intsony, ary miezaka mba tsy hinia hanota, dia ny sorom-panavotan’i Kristy no hanarona ny fahotana nataony tamin’izy mbola nanana ny toetra taloha sy nanaraka ny fanirian’ny nofo.—Ro 6:3-7; 7:21-25; 8:23; 2Ko 5:1-3.
Olona araka ny fanahy. Nampifanoherin’ilay apostoly ny olona araka ny fanahy sy ny olona araka ny nofo. Hoy izy: “Ary ny olona araka ny nofo dia tsy manaiky izay zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana aminy izany.” (1Ko 2:14) Tsy ny olona miaina eto an-tany sy manana vatana ara-nofo no tiana holazaina amin’ny hoe “olona araka ny nofo”, satria manana izany koa ny Kristianina eto an-tany. Ny olona araka ny nofo kosa dia olona tsy miraharaha ny fifandraisany amin’Andriamanitra, fa manaraka ny fanirian’ny nofo fotsiny.
Nilaza koa i Paoly fa tsy ho takatry ny “olona araka ny nofo” mihitsy ny zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, “satria mila ny fanahin’Andriamanitra ny fandinihana an’izany.” Hoy izy avy eo: “Fa ny olona araka ny fanahy kosa mandinika ny zava-drehetra, nefa tsy misy olona mandinika azy.” Mahatakatra ny zavatra ahariharin’Andriamanitra ny olona araka ny fanahy. Fantany koa ny tsy mety ataon’ny olona araka ny nofo sy ny loza miandry azy ireny. Tsy takatry ny olona araka ny nofo kosa anefa izay ataon’ny olona araka ny fanahy sy ny fomba fiainany. Tsy misy afaka mitsara ny olona araka ny fanahy koa, satria Andriamanitra ihany no Mpitsara azy. (Ro 14:4, 10, 11; 1Ko 4:3-5) Naka ohatra ilay apostoly mba hanomezana porofo. Hoy izy: “Fa ‘iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, mba hampianatra azy?’” Tsy misy na iray aza. Nilaza kosa anefa i Paoly fa “manana ny sain’i Kristy” ny Kristianina. Manjary olona araka ny fanahy ny Kristianina rehefa manana ny sain’i Kristy, satria ampahafantarin’i Kristy azy ireo ny momba an’i Jehovah sy ny fikasany.—1Ko 2:14-16.
Jereo LEHILAHY ZOKIOLONA; ZANAK’OLONA.