FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fisehoan’i Kristy”
  • Fisehoan’i Kristy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fisehoan’i Kristy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fanatrehana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fiandrasana ‘Amim-paniriana Fatratra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fiverenan’i Kristy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fisehoan’i Kristy”

FISEHOAN’I KRISTY

Nadika avy amin’ny teny grika hoe epifaneia ny hoe ‘fisehoana’ ao amin’ny Baiboly. Ilazana an’i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany io teny io. Ilazana an’ireo zavatra samy hafa hataony mandritra ny fanatrehany koa anefa izy io.

Nofo ilay Zanak’Andriamanitra rehefa naseho. Ny “fisehoan’i Kristy Jesosy Mpamonjy antsika” tamin’izy tonga nofo tetỳ an-tany no resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Timoty 1:9-11. Nirahin’i Jehovah avy any an-danitra io Zanany io mba hanamarina ny zony hitondra. ‘Hanafoana ny fahafatesana’ nolovana avy tamin’i Adama koa izy, ary hampahafantatra fa afaka manantena ny ho any an-danitra ny olona sasany ka hanjary ho tsy mety lo. “Nofo i Jesosy rehefa naseho”, ary izany no anisan’ny nampahazava ny “zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (1Ti 3:16) Nilaza koa i Paoly fa ‘nampiseho’ hatsaram-panahy tsy manam-paharoa Andriamanitra, rehefa naniraka an’io Zanany io. “Mitondra famonjena ho an’ny karazan’olona rehetra” izany, “sady mampianatra antsika handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary mampianatra antsika koa mba hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity. Izany no ataontsika eo am-piandrasana an’ilay zavatra mahafaly antenaintsika sy ny fisehoana be voninahitr’ilay Andriamanitra lehibe sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.” (Tit 2:11-13) Rehefa miseho amim-boninahitra i Kristy, dia ho hita fa be voninahitra koa ilay Andriamanitra naniraka azy.

Fisehoana be voninahitr’i Kristy eny amin’ny lanitra. Hifantoka amin’ireo rahalahiny efa nodimandry i Kristy, mandritra ny fanatrehany. Ireo, hoy i Paoly, anisan’izany ny tenany, no ‘naniry mafy ny hisehoany’, ka hahazo ny ‘satroboninahitry ny fahamarinana ho valisoa.’ (2Ti 4:8) Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany, rehefa “hidina avy any an-danitra [ny Tompo] ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra.” Handray azy ireo any aminy i Kristy amin’izay. Amin’izany fomba izany no hampisehoany ny heriny sy ny voninahiny amin’izy ireo. Hasehony amin’ireo rahalahiny mbola eto an-tany avy eo fa efa manatrika izy, ary horaisiny any aminy izy ireo amin’ny fotoana ahafatesan’izy ireo.​—1Te 4:15, 16; Jn 14:3; Ap 14:13.

Ho Mpanjaka sy Mpitsara. Nilaza tamin’i Pontio Pilato i Kristy fa tsy anisan’ity tontolo ity ny Fanjakany, na dia niaiky aza izy fa mpanjaka ny tenany. (Jn 18:36, 37) Tsy nasehony hoe tompom-pahefana izy, satria mbola tsy tonga ny fotoana hanomezana azy ny fahefana hanjaka. ‘Hiseho’ anefa “i Jesosy Kristy Tompontsika” rehefa ho voatendry ho “Tompom-pahefana falifaly sady tokana, dia ilay Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo.”​—1Ti 6:13-16; Da 2:44; 7:13, 14.

Fantatr’i Paoly fa ho avy ilay Fanjakana ary hiseho i Kristy, ka hoy izy tamin’i Timoty: “Izao no ananarako mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay voatendry hitsara ny velona sy ny maty, amin’ny alalan’ny fisehoany sy ny fanjakany: Torio ny teny.” (2Ti 4:1, 2) Hiharihary fa efa be voninahitra any an-danitra i Kristy, rehefa mampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra etỳ an-tany izy.

Handringana an’ilay “lehilahy mpandika lalàna.” Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika “ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika” i Paoly. Nampitandrina azy ireo izy mba tsy hikorontan-tsaina na hientanentana, raha misy “milaza fa efa tonga ny andron’i Jehovah.” Haharihary mantsy aloha ilay “lehilahy mpandika lalàna”, izay nanohitra an’Andriamanitra sy Kristy hatry ny ela be, ary avy eo hofoanan’i Kristy “amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany.” Tsy mba toa an’ireo maniry mafy ny hisehoan’i Kristy io ‘lehilahy tsy tan-dalàna’ io (antokon’olona izy io, raha ny marina). Tsy noho ny finoan’io “lehilahy” io àry no ahafantarany fa manatrika i Kristy, fa noho ny fampiasan’i Jesosy ny heriny handringanana azy.​—2Te 2:1-8; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara