FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Fanjakana Babylonianina”
  • Fanjakana Babylonianina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanjakana Babylonianina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Babylona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fizarana 3: Babylona mahery: Herim-panjakana Fahatelo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra Mafy
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Fanjakana Babylonianina”

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakana Babylonianina

TANÀNA nahavariana i Babylona, satria nisy manda avo be, Lalan’ny Mpilahatra, Zaridaina Mihantona nalaza, ary tempoly 50 mahery.

Efa hatry ny ela i Babela (na Babylona tatỳ aoriana) no foiben’ny fivavahana nanohitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. (Ge 10:9, 10) Nataon’i Jehovah nandamòka ny fikasan’ireo nanorina azy io, rehefa nataony nisafotofoto ny fiteniny ka naparitany naneran-tany izy ireo. (Ge 11:4-9) Izany no nahatonga ny fivavahan-diso tao Babylona hiely tany an-tany hafa.

Rava i Babylona tatỳ aoriana, noho izy sahy nanohitra an’i Jehovah. Oharin’ny faminaniana amin’ny liona manana elatry ny voromahery i Babylona. Nolazain’i Jehovah koa fa ho rava sy ho lao izy io, ary Kyrosy no anaran’ilay handresy azy. Resin’i Kyrosy Lehibe tao anatin’ny indray alina monja izy io tamin’ny 5 Oktobra 539 T.K. Efa voalazan’ny faminaniana ny fomba haharesy azy, ary tanteraka tokoa izany! Lasa “korontam-bato miavosa” ilay tanàna tatỳ aoriana, ka tsy naorina intsony.​—Je 51:37; jereo Is 44:27–45:2.

TANÀNA LEHIBE

Babylona: Foibe ara-politika sy ara-pivavahana; Jiosy maro no natao sesitany tao

Tema: Toa renivohitra faharoa naorin’i Nabonida Mpanjaka, izay nanome fahefana an’i Belsazara hitondra tao Babylona

Ninive: Renivohitr’i Asyria, izay resin’ny Kaldeanina sy Medianina tamin’ny 632 T.K.

Karkemisy: Tao i Nebokadnezara II no nandresy ny tafika ejipsianina, ka lasa nofeheziny i Syria

Jerosalema: Nandoa hetra tamin’i Babylona tamin’ny 620 T.K.; nataon’ny Babylonianina fahirano tamin’ny 618-617 sy tamin’ny 609-607 T.K.

Tyro: Nitolo-batana tamin’ny Babylonianina rehefa avy natao fahirano 13 taona

[Saritany, pejy 321]

SARITANY: Fanjakana Babylonianina

[Sary, pejy 322]

Vavahadin’i Ishtar namboarina indray

[Sary, pejy 322]

Tempoly miendrika piramida tao Ora. Hoatran’io angamba ilay tilikambo tao Babela

[Sary, pejy 323]

Fitantarana ny fireharehan’i Nebokadnezara II momba izay rehetra nataony, mba hanalehibeazana an’i Babylona (Ampit. Da 4:30)

[Sary, pejy 322-323]

Mandan’i Babylona. Toy ny tsy ho resy ilay tanàna satria voahodidina manda fiarovana roa sosona matevim-be. Voahodidina manda koa ny ilany atsinanana. Nisy manda fiarovana koa teo amin’ny morony atsinanan’i Eofrata, izay nandalo an’ilay tanàna. Ny tempolin’i Mardoka no nalaza indrindra tao Babylona. Teo akaikin’izy io ny tilikambon’i Etemenanki (Tilikambon’i Babela, hoy ny olona sasany), izay nahatratra 91 m ny haavony.

[Sary, pejy 323]

Sary nandravaka ny sisin’ny Lalan’ny Mpilahatra tao Babylona, izay oharin’ny Baiboly amin’ny liona (Da 7:4)

[Sary, pejy 324]

Atin-kenan’ondry tanimanga misy fambara sy teniteny natao an-tsoratra; nampiasain’ny Babylonianina rehefa nisikidy (Ampit. Ezk 21:20-22)

[Sary, pejy 324]

Nabonida, mpanjaka faran’i Babylona, sy ny famantarana an’ireo andriamaniny (ilay tsinam-bolana no i Sîn andriamanitra volana, ilay boribory misy elatra no i Shamash andriamanitra masoandro, ilay kintana no i Ishtar). Tsy nahavonjy an’i Babylona ny fandinihana an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, sy ny fianteherana tamin’ireo andriamanitra volana sy kintana ary toy ny izany (Is 47:12-15)

[Sary, pejy 324]

Io, hono, no tononandro tranainy indrindra. Avy tany Babylonia izy io, ary angamba vita tamin’ny taonjato fahadimy T.K.

[Sary, pejy 324]

Ny sisa tavela tamin’i Babylona fahiny, izay manaporofo fa azo itokisana ny faminanian’ny Baiboly. “Ravak’ireo fanjakana” i Babylona fahiny, nefa “lao” kosa ankehitriny (Is 13:19-22; Je 50:13)

[Sary, pejy 325]

Resy i Babylona

[Sary, pejy 325]

Tantaran’i Nabonida: Takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika, izay manamarina fa tampoka no nandresen’i Kyrosy an’i Babylona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara