FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona”
  • Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 2
    Mifohaza!—2012
  • Kyrosy Lehibe
    Mifohaza!—2013
  • Kyrosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fahababoana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona”

FANAZAVANA MAHALIANA

Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona

NANAN-KARENA sy nandroso ny tanin’i Joda, nefa ‘lasa aolo tsy nisy mponina’ tamin’ny 607 T.K. Natao sesitany tany Babylona mantsy ireo Jiosy babo, ary nandositra tany Ejipta ireo sisa tavela tany Joda. (Je 9:11) Be hatsaram-panahy feno fitiavana anefa Andriamanitra, ka tsy hamela ny vahoakany hatao sesitany mandrakizay. Nilaza izy fa “hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona” ny Jiosy, ary avy eo hafahany ireo sisa tsy mivadika. (Je 25:11, 12; 29:10-14) Tsy hahasakana an’izany na dia i Babylona aza, izay firenena natanjaka indrindra toa tsy nety resy. Tafaverina tany an-tanindrazany tokoa ireo Jiosy. Porofo izany fa tsy maintsy tanteraka foana ny faminanian’i Jehovah.

Resin’ny tafik’i Kyrosy mpanjaka persianina i Babylona tamin’ny 539 T.K., raha mbola tsy tapitra akory ireo 70 taona nanaovana sesitany ny Jiosy. Namoaka didy i Kyrosy tamin’ny taona voalohany nanjakany tao Babylona, fa mahazo miverina any Jerosalema ireo Jiosy. (Ezr 1:1-4) Nisy 42 360 ireo niverina (nisy lehilahy sy zaza amam-behivavy). Tonga tany Joda izy ireo tamin’ny 537 T.K. (Ezr 1:5–3:1; 4:1) Nifarana ara-potoana àry ireo 70 taona nahalao an’i Joda!

Tsy niverina tamin’izay daholo anefa ireo natao sesitany. Nisy niaraka tamin’i Ezra mpisorona tamin’ny 468 T.K., rehefa nankany Jerosalema izy mba hitondra fanomezana ho an’ny tempoly. (Ezr 7:1–8:32) Niainga avy tany Sosana kosa i Nehemia tamin’ny 455 T.K., ary nankany Jerosalema mba hanorina indray ny mandan’ilay tanàna. (Ne 2:5, 6, 11) Tsy resahin’ny Baiboly ny lalana nalehan’ireny Jiosy niverina ireny. Aseho eto amin’ny sarintany eto anefa ny mety ho lalan’izy ireny.

[Saritany, pejy 332]

SARITANY: Mety ho io no Lalan’ireo Jiosy Nody

[Sary, pejy 332]

Varingarin’i Kyrosy: Resahin’izy io fa fanaon’i Kyrosy ny nampody an’ireo babo sy ny nanampy azy ireo hanorina indray ny tempoliny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara