MATITIA
(Matitìa) [Fanomezan’i Jehovah].
1. Levita izy, ary nitendry harpa rehefa nafindra avy tao an-tranon’i Obeda-edoma nankany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena. (1Ta 15:17-21, 25) Mety ho izy ihany ilay Matitia anisan’ireo Levita mpitendry zavamaneno, izay nasain’i Davida nankeo anoloan’ny Vata masina “mba hanome fampahatsiahivana sy hisaotra ary hidera an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” (1Ta 16:4, 5) Mety ho izy koa ilay anisan’ny taranak’i Jedotona izay voafidy tamin’ny antsapaka ho filohan’ny fizarana faha-14 nisy Levita mpitendry zavamaneno 12 lahy. Matatiasy kosa no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’io “zanak’i Jedotona” io.—1Ta 25:1, 3, 9, 21.
2. Levita Kehatita anisan’ny fianakavian’i Kora. Lahimatoan’i Saloma izy. Anisan’ireo Levita avy tany an-tsesitany tany Babylona izy, ary “niandraikitra ny zavatra nomasahina tao anaty lapoaly. Izany no andraikiny satria mendri-pitokisana izy.” Matatiasy no anarana grika ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’io Levita taranak’i Kora io.—1Ta 9:31, 32.
3. Levita na mpisorona. Nijoro teo ankavanan’i Ezra izy, rehefa namaky ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny Jiosy nivory tao Jerosalema ny mpanao dika soratra.—Ne 8:1, 4.
4. Israelita “taranak’i Nebo.” Anisan’ireo nanambady vehivavy hafa firenena izy, ary nandroaka an’ireny “niaraka tamin’ny zanany”, tamin’ny andron’i Ezra.—Ezr 10:25, 43, 44.
5. Lehilahy avy amin’ny fokon’i Joda. Voalaza fa “zanak’i Amosa” izy ao amin’ny tetirazan’i Jesosy avy amin’ny reniny.—Lk 3:23, 25.
6. Lehilahy hafa iray avy amin’ny fokon’i Joda, ary antsoina hoe “zanak’i Semey.” Velona taorian’i Zerobabela izy, ary hita ao amin’ny tetirazan’i Jesosy nosoratan’i Lioka ny anarany.—Lk 3:23, 26, 27.