ME-JARKONA
(Me-jarkòna) [Ranon’i Jarkona].
Milaza ny manam-pahaizana sasany fa ny reniranon’i Nahr el-ʽAoja (Nahal Yarkona) ilay Me-jarkona tany amin’ny faritanin’i Dana. (Js 19:40, 41, 46) Tokotokony ho 6 km any avaratra avaratratsinanan’i Jopa izy io no mivarina ao amin’ny Ranomasina Mediterane. Any amin’ny 20 km miala eo, any akaikin’i Afeka (No. 4) no misy ny loharanony, izay anisan’ny loharano lehibe indrindra any Palestina.
Misy kosa milaza fa toy izao no vakin’ny teny hebreo tany am-boalohany, toy izay hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo: ‘Ary teo andrefana [na teo amin’ny ranomasina] i Jarkona.’ Misy milaza an’i Jarkona ho i Tell Kasileh (Tel Qasila), ao amin’ny faritr’i Tel Aviv-Yafo (Jopa).