FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Menahema”
  • Menahema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Menahema
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Pekahia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tiglato-pilesera (III)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Pola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tifsa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Menahema”

MENAHEMA

(Menahèma) [Ilay Mampionona].

1. Zanakalahin’i Gady, ary nanjaka folo taona tany Israely, nanomboka tamin’ny 790 T.K. tany ho any. Niala tany Tirza izy ary nankany Samaria ka namono an’i Saloma, raha vao reny hoe novonoin’izy io i Zakaria Mpanjaka. Izy no lasa mpanjaka avy eo. Vao nanjaka kelikely izy dia “tonga avy any Tirza” ka namely an’i Tifsa “sy izay rehetra tao aminy ary ny faritaniny. Tsy nanokatra vavahady mantsy ny mponina tao.” (Jereo koa Prot.; Kat.) Nampijaliny ny olona tao satria “notatahiny ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra.”​—2Mp 15:10, 13-17.

Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Menahema. Tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama mpanjaka voalohan’ny fanjakan’ny foko folo izy, fa nampirisika ny hivavahana tamin’ny zanak’omby. Notafihin’i Pola (Tiglato-pilesera III) mpanjakan’i Asyria ny taniny, ka voatery nandoa “talenta volafotsy arivo” (6 606 000 dolara) ho azy izy. Nasain’i Menahema nandoa sekely volafotsy 50 avy àry “ny lehilahy matanjaka sy mahery fo” tany Israely. Olona 60 000 teo ho eo no nakana an’ilay vola, satria sekely 3000 eo ho eo ny talenta volafotsy iray. Nomen’i Menahema an’i Pola ilay volafotsy, “mba hanampian’i Pola azy hanamafy orina ny fahefany teo amin’ny fanjakany.” Niala tao amin’ilay tany i Pola avy eo.​—2Mp 15:19, 20.

Hita eo amin’ny soratra nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria ny hoe Menahema. Nandoa hetra taminy, hono, i “Menahema avy any Samaria” (Me-ni-hi-im-me alSa-me-ri-na-a-a), sy Rezona (Ra-hi-a-no) mpanjakan’i Syria, ary Hirama (Hi-ro-om-mo) mpanjakan’i Tyro (tsy ilay tamin’ny andron’i Davida). (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 283) Maty tamin’ny 781 T.K. tany ho any i Menahema, ary nodimbiasan’i Pekahia zanany.​—2Mp 15:22.

2. [Teny gr. avy amin’ilay teny heb. nadika hoe Menahema]. Lehilahy anisan’ny mpaminany sy mpampianatra teo anivon’ny fiangonan’i Antiokia. Niara-nianatra tamin’i Heroda (Antipasy) lehibem-paritra izy.​—As 13:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara