FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpivarotra”
  • Mpivarotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpivarotra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • “Nahita Vatosoa Iray Sarobidy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Alahelo sy Fifaliana fa Rava i Babylona
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Tyro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nampietry ny Fiavonavonan’i Tyro i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpivarotra”

MPIVAROTRA

Lehilahy na vehivavy mividy, ary avy eo mivarotra na manao takalo mba hahazoan-tombony. Midika ara-bakiteny hoe olona ‘mandehandeha’ mba hivarotra ny teny hebreo nadika hoe “mpivarotra.”​—Ge 34:10.

Efa hatry ny ela ny olona no nahay asa tanana sasany, izay lasa asa fivelomany. (Ge 4:20-22) Nanjary nisy àry ny varotra. Lasa mpivarotra ny olona maro tatỳ aoriana, ka nanana entam-barotra isan-karazany. Efa nisy mizana sy lanja fampiasan’ny mpivarotra sy nekeny, tamin’i Abrahama tonga tany Kanana tamin’ny 1943 T.K. (Ge 23:16) Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hampiasana mizana mitovy sy marina.​—De 25:13-16; Oh 11:1; 20:10; Mi 6:11.

Nisy mpivarotra nanana trano fivarotana, na nivarotra teny amin’ny tsena tao an-tanàna. (Ne 13:20) Nisy kosa nanana andian-tsambo nitety ranomasina izay nitondra entam-barotra sarobidy avy lavitra. (Sl 107:23; Oh 31:14) Ny hafa indray mpivaro-mandeha nanaraka an’ireo lalana fivezivezen’ny entam-barotra fahiny. (1Mp 10:14, 15; 2Ta 9:13, 14) Namidin’ny rahalahiny tamin’ny mpivaro-mandeha ho any Ejipta, ohatra, i Josefa.​—Ge 37:25, 28.

Nanana mpivarotra ny firenena rehetra, na kely na lehibe, toa an’i Etiopia (Is 45:14), Asyria (Na 1:1; 3:16), ny fanjakan’i Solomona (1Mp 10:28; 2Ta 1:16), ary Sidona sy Tyro (Is 23:2, 8). Nampanan-karena firenena maro ny varotra.

Foibe ara-barotra i Tyro, ary nankany ny mpivarotra sy sambo mpitondra entana eran-tany. Nampanan-karena an’ilay tanàna nisy seranan-tsambo ny entam-barotra isan-karazany, toy ny volafotsy, vy, firapotsy, firamainty, zavatra vita amin’ny varahina, soavaly, ramole, ivoara, hazomainty, torkoazy, volonondry, lamba nolokoana, haran-dranomasina, robia, varimbazaha, sakafo tsy fahita firy, tantely, menaka, balsama, divay, kasia, fantàkamanitra, lamba voatenona, zava-manitra, vatosoa, ary volamena.​—Ezk 27:2, 12-25.

Empôrôs (gr.; midika hoe “dia” ny hoe pôrôs) no ilazana ny mpivaro-mandeha na olona “manao dia.” Nitady perla faran’izay tsara sy lafo vidy, ohatra, ilay mpivaro-mandeha ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 13:45) Nampanan-karena an’ireo mpivaro-mandeha ilay “mpivaro-tena lehibe ... [dia i] ‘Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena.’” Hitomany sy alahelo àry izy ireo rehefa rava sy ringana izy io. (Ap 17:1, 5; 18:3, 11-15) ‘Manam-pahefana ambony eny ambonin’ny tany’ kosa ny mpivaro-mandehan’i Babylona Lehibe.​—Ap 18:23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara