FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Merodaka”
  • Merodaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Merodaka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Sokota-benota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Bela, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fizarana 3: Babylona mahery: Herim-panjakana Fahatelo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Babylona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Merodaka”

MERODAKA

(Merôdàka).

Teny hebreo ilazana ny hoe Mardoka. Andriamanitra lehibe indrindran’ny Babylonianina izy io, ary voalaza fa hietry rehefa resy i Babylona.​—Je 50:2.

Avy amin’ny anaran’io andriamanitra io ny an’ireo mpanjaka babylonianina hoe Merodaka-baladana (Is 39:1) sy Evila-merodaka (2Mp 25:27). Nihanalaza i Merodaka rehefa nataon’i Hammourabi Mpanjaka renivohitr’i Babylonia i Babylona. Lasa nitovy tamin’ireo andriamanitra talohany i Merodaka. Mety ho novan’ny mpisorona babylonianina ny angano, ka nolazainy fa i Merodaka indray no namono an’i Tiamata ary namorona an’izao tontolo izao sy ny olombelona. Resahin’ny soratra babylonianina fa zanakalahin’i Ea (andriamanitry ny rano) i Mardoka (Merodaka), ary vadin’i Sarpanito sy rain’i Nebo.

Tena zava-dehibe ho an’ny mpitondra babylonianina ny sarin’i Merodaka tao amin’ny tempolin’i Esagila. Tsy maintsy nandray ny tanan’i Merodaka mantsy izy ireo vao lasa mpanjaka, fa tsy notendren’olona. Naverina isaky ny fetin’ny Taom-baovao io fombafomba io. Na ny mpanjaka asyrianina nifehy an’i Babylonia aza nasaina nankany Babylona isaky ny fetin’ny Taom-baovao, mba handray ny tanan’i Merodaka ho porofo fa ara-dalàna ny fanjakany.

Naminany i Jeremia fa ‘hihorohoro’ i Merodaka rehefa resy i Babylona. Izany tokoa no nitranga satria tsy nahavita niaro ny voninahitry ny Fanjakana Babylonianina i Merodaka. Nanjombona koa ny hoaviny satria hafa ny andriamanitr’ireo nandresy an’i Babylona.​—Je 50:2; jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY (Andriamanitry ny Babylonianina); BELA, II.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara