MERODAKA-BALADANA
(Merôdàka-baladàna) [avy amin’ny teny babylonianina, ary midika hoe “Nanome Zanakalahy i Mardoka”].
“Zanak’i Baladana” sady mpanjakan’i Babylona, izay nandefa taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, rehefa sitrana izy io. (Is 39:1) I “Berodaka-baladana” kosa no iantsoana azy ao amin’ny 2 Mpanjaka 20:12. Ny fahadisoan’ny mpanao dika soratra no mety ho nahatonga izany, na ny fiezahana hamadika renisoratra akadianina ho renifeo eo anelanelan’ny “m” sy “b.”
I “Mardoka-apla-idina” no ilazan’ireo soratra miendri-pantsika asyrianina sy babylonianina an’i Merodaka-baladana. Resahin’izy ireny fa toa mpitondra tao amin’ilay faritra kaldeanina atao hoe Bit-Yakin izy. Faritra be honahona izy io. Tany avaratry ny tendron’ny Hoala Persika no nisy azy, ary atsimon’i Babylona. Nilaza i Merodaka-baladana fa i Eriba-Mardoka, mpanjakan’i Babylona (heverina fa velona tany am-piandohan’ny taonjato fahavalo T.K. tany ho any), no razambeny.—Irak, Londres, 1953, Boky Faha-15, p. 124.
I Merodaka-baladana manome tany ho an’ny tandapa iray; tafahoatra ny fandraisan’i Hezekia Mpanjaka an’ireo irak’i Merodaka-baladana
Niresaka momba an’i Merodaka-baladana i Tiglato-pilesera III, izay mbola mpanjakan’i Asyria hatramin’ny andron’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.). Nilaza izy fa lehiben’ny foko kaldeanina iray i Merodaka-baladana, izay nanome voninahitra azy rehefa nanafika an’i Babylonia ny Asyrianina.
Nandefa iraka ho any amin’i Hezekia. Voalaza fa nanafika an’i Babylona i Merodaka-baladana, ary avy eo nanendry tena ho mpanjaka tao, rehefa lasa mpanjakan’i Asyria i Sargona II. Nampian’ireo Elamita i Merodaka-baladana tamin’izay. Tsy ela dia niezaka nandroaka azy hiala tao Babylona i Sargona. Mbola nahavita nanjaka 12 taona tao ihany anefa i Merodaka-baladana, araka ny voalazan’ny Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Babylonianina. Mety ho tamin’izany izy no nandefa iraka ho any amin’i Hezekia Mpanjaka, tamin’ny taona faha-14 nanjakan’izy io (732 T.K.), na taoriana kelin’izay. Misy milaza, anisan’izany i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa tsy fahalalam-pomba fotsiny no nahatonga an’i Merodaka-baladana hiahy ny amin’ny fahasalaman’i Hezekia. Tiany hanampy azy hanohitra an’i Asyria ny fanjakan’ny Joda sy ny fanjakan’i Elama, raha ny marina. Nasehon’i Hezekia an’ireo irak’ilay mpanjaka kaldeanina ny fitaovam-piadiany sy ny zavatra tao amin’ny fitehirizan-karenany. (2Mp 20:13) Niteny mafy azy anefa i Isaia mpaminany, ary nilaza fa fambara izany hoe ho resin’i Babylona i Joda.—Is 39:2-7.
Resin’i Asyria. Tsy nahazo ny fanohanan’i Elama intsony i Merodaka-baladana, tany amin’ny faramparan’ireo 12 taona nanjakany tao Babylona, satria resin’ny Asyrianina ny Elamita. Notafihin’ny Asyrianina àry i Merodaka-baladana avy eo, ka voatery niala tao Babylona. Toa mbola nitondra tao Bit-Yakin ihany anefa izy, na dia efa azon’ny Asyrianina aza i Babylona. Resahin’ilay Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Babylonianina fa nanjaka tao Babylona nandritra ny sivy volana (enim-bolana, araka ny tenin’i Polyhistor) indray i “Mardokaplaidina”, roa taona taorian’ny nahafatesan’i Sargona. Eken’ny ankamaroan’ny mpahay tantara fa efa fanindroany tamin’izay io mpanjaka io no lasa mpanjakan’i Babylona, noho ny ezaka mafy nataony. Tsara homarihina anefa fa i “Mardokaplaidina, avy any Habi” no iantsoana azy io ao amin’ireo soratra babylonianina, fa tsy i “Mardokaplaidina, [avy amin’ny] tarana-mpanjakan’ny Tany Amoron-dranomasina”, araka ny niantsoana azy tamin’izy nanjaka voalohany. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 272) Vetivety ihany anefa izy io no nanjaka fanindroany, satria tsy ela dia azon’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria i Babylona. Voatery nialokaloka tany Elama àry i Merodaka-baladana, ary toa maty tany io lehilahy matimatim-boninahitra io. Na resy aza anefa i Merodaka-baladana, dia ny Kaldeanina no lasa foko natanjaka indrindra tao amin’ny Fanjakana Babylonianina, tatỳ aoriana.