FAHALEMEM-PANAHY
Toetran’olona malemy paika, fa tsy sarotiny na masiaka. Mifandray akaiky amin’ny fanetren-tena sy ny fandeferana ny fahalemem-panahy.
Tena tokony halemy fanahy ny mpanompon’Andriamanitra, indrindra fa ny mpiandraikitra. Nilaza ny apostoly Paoly fa “tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy [gr.: epiôn] amin’ny rehetra kosa.” (2Ti 2:24) Mahay mandanjalanja ny olona malemy fanahy ary tsy mivazavaza na milelalela. Nalemy fanahy i Mosesy, satria izy no “be fandeferana indrindra” tetỳ an-tany, na dia tsy nahafehy tena ihany aza izy indraindray. (No 12:3, f.a.p.; Sl 90: t.m.) Voalaza koa, indray mandeha, fa toy ny “erika eny amin’ny ahitra” ny teniny, izany hoe toy ny orana malefaka.—De 32:2.
Nilaza i Paoly fa “nalemy fanahy” teo amin’ireo Tesalonianina izy sy ireo namany, “tahaka ny reny mampinono izay maneho fitiavana ny zanany naterany.” (1Te 2:7) Tena tia an’ireo olona nampianariny mantsy ry Paoly, sady nanampy azy ireo tamim-pitiavana mba hanana finoana matanjaka. (1Te 2:8) Mampiasa ny teny hoe epiôi (‘malemy fanahy’) ny Textus Receptus (Soratra Voaray), sy ny Tischendorf, sy ny Merk, ary ny sora-tanana hafa. Milaza i Vine fa epiôs no “matetika nampiasain’ny mpanoratra grika hilazana vehivavy nitaiza zaza mafy loha, na mpampianatra nanana mpianatra mpikomy, na ray aman-dreny nananatra ny zanany. Mampiasa an’io teny io ilay Apostoly, ao amin’ny 1 Tes. 2:7, mba hilazana ny zavatra nataony sy nataon’ireo misionera namany tamin’ireo Tesalonianina vao niova finoana.”—Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-2, p. 145.
Nepiôi (zazakely) kosa no ampiasain’ny soratra grika nataon’i Westcott sy Hort, sy ny sora-tanana sasany, ao amin’ny 1 Tesalonianina 2:7. Hoy Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao: “Misy fomba roa azo andraisana ny 1 Tes. 2:7: a) ēpiôi (nalemy fanahy izahay teo aminareo); b) nēpiôi (zazakely). Miafara amin’ny n ny teny teo alohan’ny ēpiôi, ka azo inoana fa nanao fahadisoana ny mpanao dika soratra ka voasorany indroa ilay n. Tsy mitombina koa raha ilay faharoa no tena izy, satria eo amin’ny and. 7b dia tsy ny tenany, fa ny Tesalonianina, no nampitovin’i Paoly tamin’ny ‘zanaka’, ary izy sy ireo mpiara-miasa taminy no toy ny reny mampinono (trôfôs).”—Nataon’i C. Brown, 1975, Boky 1, p. 282.
Adika koa hoe “fahalemem-panahy” ny teny grika hoe prays. Izao no voalazan’ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao, nataon’i William Barclay, momba an’io teny io: “Tsara ny hevitra fonosin’izy io, amin’ny teny grika tranainy. Midika hoe ‘malefaka’ izy io raha ampiasaina amin-javatra, ohatra hoe tsio-drivotra malefaka na feo malefaka. Midika hoe ‘malemy fanahy’ na ‘tsara fanahy’ izy io raha ampiasaina amin’olona. ... Azo ilazana olona malemy fanahy ny hoe praos. Malemy fanahy ilay olona nefa koa hentitra. ... Tsy hoe malefaka ilay olona ka lasa tsy misy hazondamosina, na entin’ny fihetseham-po, na mihafy fotsiny ao anatin’ny sarotra.” (Londres, 1956, p. 103, 104) Izao no voalaza momba ilay anarana hoe praytes: “Tsy toetra hita etỳ ivelany fotsiny [izy io], na hita amin’ny fifandraisana amin’olona fotsiny, na toetra ahafantarana olona iray, fa ny tena maha izy azy mihitsy, ka hita amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra indrindra indrindra. Io toe-tsaina io no mahatonga antsika ho tia ny fomba itondran’Andriamanitra antsika, ka ekentsika tsy misy adihevitra na fanoherana izany. Misy ifandraisany amin’ny hoe tapeinôfrôsone [fanetren-tena] izy io, ary vokatry ny fanetren-tena.”—Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-3, p. 55, 56.
Nadika hoe “malemy fanahy” sy “malemy paika” ny hoe prays, ao amin’ny Baiboly. Tsy tsara fanahy fotsiny anefa ny hoe prays, araka ny fanazavan’i Barclay voalaza tetsy aloha. Midika hoe malemy fanahy sy mahalala fomba izy io, rehefa ampiasaina amin’olona.
Tsy milefitra amin’ny fahotana sy fanaovan-dratsy i Jehovah. Tia antsika anefa izy ka nanome an’i Jesosy Kristy ho sorom-panavotana sy ho mpisorona mba hahafahantsika hanatona azy. Tsy matahotra na mihorohoro ny hanatona an’i Jehovah àry ny mpanompony. (Heb 4:16; 10:19-22; 1Jo 4:17, 18) Nanahaka tanteraka an’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” Hoy koa izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy [gr.: prays] sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Jn 14:9; Mt 11:28-30) Hita amin’izany fa tena mora hatonin’izay tia azy tokoa i Jehovah Andriamanitra. Ampiany koa izay olona mitady azy mba halemy fanahy sy ho be herim-po ary hatoky azy tanteraka.
Toetran’olona be herim-po. Ilana fifehezan-tena ny hoe malemy fanahy amin’ny hafa sy mitandro fihavanana, na miezaka ny tsy hanafintohina olona, indrindra rehefa sosotra. Miaramila nahery i Davida, nefa nentin’ny fitiavan-janaka ka nandidy an’i Joaba mba halemy fanahy tamin’i Absaloma zanany mpikomy. Hoy izy: “Moramora ihany ianareo amin’i Absaloma.” (2Sa 18:5) Midika hoe mandeha moramora na mihetsika moramora ny teny hebreo (ʼat) ampiasaina eo. Be herim-po ny apostoly Paoly, na dia nalemy fanahy aza. Hentitra mantsy izy rehefa nilaina izany, ohatra hoe rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany sy faharoa ho an’ny fiangonan’i Korinto.
Mety ho tena be herim-po ny olona malemy fanahy. Hoy i Jesosy Kristy: “Malemy fanahy sy manetry tena aho.” (Mt 11:29; 2Ko 10:1) Nanampy azy tanteraka anefa ny herin’ny Rainy, ka hentitra izy rehefa nanao izay mahitsy. Sahy niteny sy nanao zavatra koa izy rehefa nilaina izany.—Mt 23:13-39; ampit. 21:5.
Malemy fanahy ny olona iray rehefa manam-pinoana sy misy ianteherana. Tsy mora mikorontan-tsaina izy ary misaina tsara foana. Tsy malemy fanahy kosa izy rehefa manahy, kivy, tsy manam-pinoana, very fanantenana, ary mamoy fo. Izao no resahin’ny ohabolana momba ny olona tsy malemy fanahy: “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.” (Oh 25:28) Mora mandray sy mino hevi-diso izy, ka mety hanaonao foana.
Vokatry ny fanahy. Vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra (na ny hery ampiasainy) ny fahalemem-panahy. (Ga 5:22, 23) Avy amin’Andriamanitra àry izy io, ka mila mangataka ny fanahy masina sy miezaka ny hanana ny vokatr’io fanahy io ny olona maniry hanana ny tena fahalemem-panahy. Tsy ampy ny ezaka fotsiny, fa ilaina koa ny mifandray akaiky amin’Andriamanitra.
Mora sorena, masiaka, tsy mahafehy tena, ary tia miady ny olona tsy malemy fanahy. Ny Kristianina kosa ampirisihina mba hiray saina sy hihavana foana ka ‘hanetry tena sy halemy fanahy.’—Ef 4:1-3.
Hiteraka an’izao korontana rehetra izao ny fialonana sy fifandirana, raha avela hamaka sy hitombo. Tsy hitranga eo amin’ny Kristianina mihitsy kosa izany, raha malemy fanahy izy ireo. Izany no nahatonga an’i Jakoba mpanoratra Baiboly hampirisika an’izay hendry sy mahira-tsaina mba hanana “fitondran-tena tsara” ka ‘haneho fahalemem-panahy avy amin’ny fahendrena’, izany hoe ny “fahendrena avy any ambony.”—Jk 3:13, 17.
Matetika no asehon’ny Baiboly hoe “toetra” na toe-tsaina ny fahalemem-panahy. Hita amin’izany fa tsy toetra ivelany sy miserana fotsiny ny tena fahalemem-panahy. Anisan’ny toetra tena maha izy ny olona iray kosa izy io. Hoy ny apostoly Petera momba izany: “Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany toy ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.”—1Pe 3:3, 4.
Hoy ny apostoly Paoly: “Mitafia ... fahalemem-panahy.” Toy ny hoe zavatra tafina eo ivelany fotsiny ny fahalemem-panahy, raha vakina maimaika io andininy io. Hoy koa anefa i Paoly: “Tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy.” (Kl 3:10, 12; Ef 4:22-24) Hita amin’izany fa tsy toetra nolovana ny fahalemem-panahy, fa toetra mampiavaka ny olona iray, ary vokatry ny fanahin’Andriamanitra izay tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara sy ny fampiharana izany.
Tena ilain’ny mpiandraikitra. Nanoratra ho an’i Timoty i Paoly mba hanazava ny fomba tokony hikarakarana ny fiangonana sy handaminana olana. Hoy izy: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra, ary halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky, fa angamba Andriamanitra hamela azy hibebaka.” (2Ti 2:24, 25) Hita eo fa mitovitovy ny hoe malemy fanahy sy ny hoe mahari-po. Takatr’io mpiandraikitra io fa matoa misy ny olana dia satria Andriamanitra no namela izany hisy. Tokony handamina izany àry izy, mba hahasoa an’ireo voakasika. Mila miaritra izy ary tsy ho sosotra, mandra-pilamin’ilay olana.
Mpiandraikitra koa i Titosy, izay nonina tany Kreta. Nasaina nampahatsiahy an’ireo rahalahy kristianina izy mba “hahay handanjalanja sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.” Te hanasongadina i Paoly hoe tokony halemy fanahy ny mpiandraikitra, ka izany no nahatonga azy hampahatsiahy an’i Titosy fa tena tia sy namindra fo Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany. Mila miala amin’ny haratsiam-panahy sy ny fankahalana àry ny Kristianina, ka hitafy ny toetra vaovao mba hahazoana fiainana mandrakizay.—Tit 3:1-7.
Nohazavain’i Paoly tamin’ireo Kristianina matotra ny andraikitr’izy ireo. Hoy izy: “Raha misy olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy. Etsy an-danin’izany koa anefa, dia aoka ny tsirairay aminareo mba hitandrin-tena tsara sao halaim-panahy ihany.” (Ga 6:1) Tokony hotadidin’izy ireo fa tsara fanahy taminy Andriamanitra, ka tsy tokony hasiaka koa izy ireo rehefa mananatra an’ireo nanao fahadisoana, fa hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy kosa. Tena hisy vokany izany sady hahasoa an’izay rehetra voakasika.
Tena ilaina ny fahalemem-panahy rehefa miatrika zava-tsarotra, na mifampiraharaha amin’olona tezitra, na mamaha olana. Vao mainka hiharatsy kosa ny toe-javatra raha masiaka izy ireo. Hoy ny ohabolana: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.” (Oh 15:1) Tena misy heriny ny fahalemem-panahy, satria “faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.”—Oh 25:15.
Tena ilaina rehefa anarina. Misy toro lalana hafa momba ny fahalemem-panahy sy fahatoniana, ao amin’ny Baiboly. Mora mikomy mantsy isika rehefa ahitsy na faizin’izay manana fahefana. Mety ho tezitra be isika ka hanadino hoe mila manaja fahefana. Mety hiala avy hatrany amin’ny toerana tanantsika isika amin’izay. Hoy anefa i Solomona: “Raha misafoaka aminao ny mpitondra, dia aza miala eo amin’ny toeranao, fa misoroka fahotana lehibe ny fahatoniana.” (Mpto 10:4; ampit. Tit 3:2.) Tokony ho tony sy halemy fanahy isika, araka izany, rehefa anarina. Tsy hampitombo ny fahatezeran’ilay manana fahefana izany, sady hanatsara ny toetrantsika satria nahafehy tena sy tsy niala teo amin’ny toerantsika isika, ary nanaiky anatra.
Vao mainka tokony halemy fanahy sy ho tony isika, raha i Jehovah no mpitondra manafay antsika, na raha faizin’ireo olona nomeny fahefana isika. (He 12:7-11; 13:17) Tokony hanao toy izany koa isika rehefa mifandray amin’ireo olona avelan’Andriamanitra hanana fahefana sy hitondra. (Ro 13:1-7) Tokony hamaly “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina” foana ny Kristianina, na dia mety hasiaka aza ny mpitondra rehefa manontany ny anton’ny fanantenana ao anatiny. (1Pe 3:15) Andriamanitra anefa no tokony hankatoaviny voalohany indrindra.
Mampiray. Mahafinaritra sady mampisy fihavanana ny olona iray, raha malemy fanahy rehefa miteny sy manao zavatra. Mora hatonina izy, ary tsy masiaka. Mampahery ny fihetsiny sy ny zavatra ataony. Mampisara-bazana kosa ny olona masiaka, tsy mihevitra ny hafa, mpivazavaza, ary mpiteny ratsy. Mahatonga ny hafa hihataka aminy izany. Manintona sy mampiray kosa ny fahalemem-panahy. Voalaza fa manangona ny zanak’ondriny i Jehovah ka mitrotro azy ireny eo an-tratrany (firesahana an-kolaka an’ilay miforitra eo amin’ny tratran’akanjon’ny Jiosy, izay lasa toy ny paosy be ka nametrahan’ny mpiandry ondry ny zanak’ondry indraindray). (Is 40:11) Hoy i Jesosy Kristy tamin’i Jerosalema: “Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo.” (Mt 23:37) Nampijalin’ny miaramila Romanina àry izy ireo ka nataony lao ny tanànan’izy ireo, tamin’ny taona 70.
Fahalemem-panahy sandoka. Misy olona malefaka rehefa miteny na manao zavatra. Tsy voatery hoe tena malemy fanahy anefa ny olona toy izany. Vokatry ny fo mantsy ny tena fahalemem-panahy. Nanakiana an’i Joba mpanompon’Andriamanitra, ohatra, ny namany telo lahy. Nampijalin’i Satana i Joba tamin’izay, satria tiany hivadika tamin’Andriamanitra. Nanoso-potaka an’i Joba izy telo lahy hoe nanao fahotana miafina sy ratsy fanahy ary be di-doha izy. Te hilaza koa izy ireo hoe nivadi-pinoana i Joba, ary novonoin’Andriamanitra ny zanany lahy satria ratsy fanahy. Nety ho nalefaka ihany ny fitenin’izy ireo indraindray, satria hoy ny iray tamin’izy telo lahy tamin’i Joba: “Tsy ampy anao ve ny fampiononan’Andriamanitra, na ny teny lazaina aminao amim-pahalemem-panahy?” (Jb 15:11) Teny masiaka tsy nisy fahalemem-panahy anefa no nolazain’izy ireo, raha ny tena izy.