FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Naomy”
  • Naomy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Naomy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Rota sy Naomy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Rota sy Naomy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Rota, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Naomy”

NAOMY

(Nàômy) [Mahafinaritra Ahy].

Rafozambavin’i Rota razamben’i Davida sy Jesosy Kristy.​—Mt 1:5.

Vadin’i Naomy i Elimeleka, Efratita nonina tao Betlehema any Joda, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nisy mosary mafy ka nifindra monina tany Moaba i Naomy sy ny vadiny ary i Malona sy Kiliona, zanany roa lahy. Maty tany i Elimeleka. Nanambady an’i Rota sy Orpa (samy vehivavy moabita) ny zanany roa lahy, avy eo, nefa maty tsy nanan-janaka izy mirahalahy, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana.​—Rt 1:1-5.

Nanapa-kevitra ny hody any Joda àry i Naomy rehefa nidonam-pahoriana. Nanaraka azy ny vinantony roa vavy. Nasainy niverina anefa izy ireo mba hanambady any amin’ny taniny. “Efa antitra loatra” izy “ka tsy hahazo vady intsony”, ary tsy afaka ny hanan-janakalahy ho vadin’izy roa vavy. Niverina i Orpa. I Rota kosa tsy nahafoy an’i Naomy satria tia azy sy Jehovah Andriamaniny izy.​—Rt 1:6-17.

Tonga tany Betlehema i Naomy, ary hoy izy tamin’ireo vehivavy niarahaba azy: “Aza miantso ahy hoe Naomy [Mahafinaritra Ahy], fa antsoy hoe Mara [Mangidy] aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.” (Rt 1:18-21) Fotoam-pijinjana vary orza tamin’izay, ary noho ny fitiavan’i Rota ny rafozany, dia nandeha nitsimpona vokatra izy mba hiveloman’izy mianaka, ka sendra tonga tany amin’ny sahan’i Boaza. (Rt 2:1-18) Rehefa nolazainy tamin’i Naomy hoe iza no tompon’ilay saha nitsimponany, dia hitan’i Naomy fa te hanao zavatra ho azy ireo i Jehovah. Havana akaikin’i Elimeleka mantsy i Boaza, ka noho izany dia iray tamin’ireo mpanavotra. Nampirisika an’i Rota àry i Naomy mba hampahafantatra izany an’i Boaza. (Rt 2:19–3:18) Nanao zavatra avy hatrany i Boaza, ka nanaraka ny fombafomba notakin’ny Lalàna mba hanavotana ny fananan’i Elimeleka avy tamin’i Naomy. I Rota àry no lasa vadin’i Boaza, ho solon’i Naomy, araka ny lalàna momba ny fitondrana loloha. Tera-dahy i Rota, ka nataon’ireo vehivavy mpiara-monina hoe Obeda ny anaran’ilay zaza. Hoy mantsy izy ireo: “Zazalahy no teraka ho an’i Naomy.” I Obeda àry no mpandova ara-dalàna ny ankohonan’i Elimeleka avy amin’ny fokon’i Joda.​—Rt 4:1-22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara