FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nikopolia”
  • Nikopolia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nikopolia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Titosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Titosy — ‘Mpiara-miasa ho Fanasoavana Anareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Artema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nikopolia”

NIKOPOLIA

(Nikôpôlìa) [Tanànan’ny Fandresena].

Tanàna nokasain’i Paoly handaniana ny ririnina, tamin’ny iray tamin’ireo diany. Nasainy nankany koa i Titosy. (Tit 3:12) Milaza ny fanamarihana ao amin’ny Baiboly sasany, fa nosoratana “tany Nikopolia tany Makedonia” ny taratasin’i Paoly ho an’i Titosy. Tsy hita ao amin’ny sora-tanana tranainy indrindra anefa izany. Azo inoana fa tsy tany Nikopolia i Paoly no nanoratra ny taratasiny. Mbola tsy tany mantsy izy, araka ny Titosy 3:12, fa vao nikasa ny handany ny ririnina tany.

Maromaro ny tanàna fahiny nantsoina hoe Nikopolia. Toa ilay Nikopolia tany Épire, teo amin’ny saikinosy avaratrandrefan’i Gresy, tokotokony ho 10 km tany avaratr’i Preveza, no tena mifanaraka amin’ilay Nikopolia resahin’ny Baiboly. Tanàna malaza izy io, ka mety tsara mba hitorian’i Paoly ny vaovao tsara. Tsy lavitra loatra koa izy io ho an’i Paoly, izay toa tany Makedonia, sy Titosy, tany Kreta. Tany Nikopolia angamba i Paoly no voasambotra, ka nogadraina farany tany Roma sy novonoina ho faty.

I Octavien (Aogosto) no nanorina an’i Nikopolia ho fahatsiarovana ny fandreseny an’ireo andian-tsambon’i Antoine sy Kleopatra tao Aktioma, teo akaiky teo (tamin’ny 31 T.K.). Ho fahatsiarovana an’io fandresena io koa no nananganany an’ilay Lalaon’i Aktioma, izay natao hanomezam-boninahitra an’ilay andriamanitra atao hoe Apollon. Toerana fitobian’ny Romanina ilay tanàna, ary nanorina tempoly ho an’ilay andriamanitra natao hoe Neptune i Octavien, teo amin’ny toerana nisy ny tranolainy. Milaza i Josèphe mpahay tantara, fa vola fanampiana nomen’i Heroda Lehibe no nentina nanorenana ny ankamaroan’ny tranom-panjakana tao.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XVI, 147 (v, 3).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara