ORONA, VAVORONA
Taova eo amin’ny tarehy, izay ivezivezen’ny rivotra rehefa miaina, ary taova fandrenesana fofona.
Rehefa namorona an’i Adama i Jehovah, dia “nitsoka fofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina ny olona.” (Ge 2:7) Nameno rivotra ny havokavok’i Adama ilay “fofonaina”, sady nanome hery namelona ny vatany, ka ny rivotra nofohiny no nihazona an’io hery io. Tena ilaina ny fofonaina fohin’ny vavorona mba ho velona foana ny olona. Izy io mantsy no mihazona ny hery mamelona ny vatana. Rehefa tonga ny Safodrano, dia “maty izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, dia izay rehetra teo amin’ny tany maina.”—Ge 7:22.
Midika hoe orona na vavorona ilay teny hebreo hoe ʼaf, ary matetika izy io no ilazana ny tava na ny tarehy manontolo. Voaheloka i Adama ka nilazana fa amin’ny ‘hatsembohan’ny tavany [a.b.t.: orona na vavorona] no hihinanany hanina.’ (Ge 3:19) Niankohoka teo anoloan’ireo anjely nitsidika azy i Lota, izany hoe nila hipaka tamin’ny tany ny tarehiny (orony).—Ge 19:1.
Mora mandre fofona sy manampy amin’ny fandrenesana tsiro. Ao amin’ny faritra ambony amin’ny atiorona no misy ny rafi-pitatitra fandrenesana fofona, ary toy ny volo maromaro ny tendron’izy io. Ao amin’io faritra io koa no misy ny sasany amin’ireo tendrony madinika amin’ireo hoza-pitatitra mifandray amin’ny maso sy ny valanorano. Tena mora mandre fofona ny oron’ny olona. Hoy ny boky Amerikanina Siantifika (Febroary 1964, p. 42): “Miharihary fa misy resaka simia ao amin’ny fandrenesana fofona, ary efa fantatra hatry ny ela izany. Tena tsy mampino an’ireo mpahay simia ny fahaizan’ny orona mamantatra sy manavaka fofona. Singa simika be pitsiny ny fofona ka mety ho am-bolana maro ny mpahay simia vao hahavita hamantatra an’ilay izy any amin’ny laboratoara. Ny orona kosa tonga dia mahafantatra an’ilay izy, na dia faran’izay kely amin’izy io aza (ohatra hoe 0,00 001 grama monja). Kely loatra izany ka matetika no tsy vitan’ny fitaovana faran’izay matsilo ao amin’ny laboratoara faran’izay maoderina ny mamantatra azy io, mainka moa fa ny mandinika sy ny manasokajy azy.”
Manampy amin’ny fandrenesana tsiro koa ny orona. Misy efatra, amin’ny ankapobeny, ny tsiro: Mamy, masira, marikivy, ary mangidy. Marina fa afaka mamantatra an’ireo tsiro ireo ny vava, nefa ny fandrenesana fofona no tena manampy ny olona hamantatra ny tsiron’ny zavatra haniny. Raha tsy mandre fofona, ohatra, ny orony dia tsy hainy ny manavaka sakafo roa samy hafa, ary hitovitovy daholo ny tsiron’ny ankamaroan’izay haniny.
Hatsaran-tarehy. Misongadina eo amin’ny tarehy ny orona ka mampahatsara tarehy, indrindra raha tsara tefy izy io. Nampitovin’ny Tononkiran’i Solomona (7:4) tamin’ny “tilikambon’i Libanona” ny oron’ilay tovovavy solemita. Ny tiana holazaina angamba dia hoe tsy nivilana ny orony, ka nampitombo ny hatsaran-tarehiny. Tsy afaka ny ho mpisorona ny olona raha nisy rimbona na nisy tsininy ny orony. Solontenan’Andriamanitra mantsy ny mpisorona teo amin’ny Israely, ka tsy tokony hanan-kilema.—Le 21:18.
Heviny an’ohatra. Matetika no ampiasaina hilazana fahatezerana ny hoe ʼaf, izay nadika hoe orona na vavorona. Misefosefo na sempotsempotra mantsy ny olona tezitra be. (Jereo FAHATEZERANA.) Io teny io koa no ilazana an’izay ataon’i Jehovah rehefa tezitra izy (Sl 18:8, 15) na rehefa mampiasa ny heriny, izany hoe ny fanahiny masina.—Ek 14:21; 15:8.
Tena naharikoriko sy nahatezitra mafy an’i Jehovah ireo Israelita nanompo sampy, ka hoy izy momba azy ireo: “Setroka eo am-bavoroko anefa ireny, sady afo mirehitra mandrakariva.”—Is 65:5.
Hoy ny Ohabolana 30:32, 33: “Raha nanao hadalana ianao, izany hoe nanandra-tena, ary raha nampifantoka ny sainao tamin’izany, dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao. Fa manome dibera ny ronono rehefa ahontsankontsana, ary mandeha ra ny orona rehefa poretina, ary miteraka fifandirana ny fahatezerana rehefa tsy voafehy.” Asongadin’izany fa ratsy be ny vokany raha misy olona manao teny maharary na tezi-dava na tsy mifehy fahatezerana. Ny teny hebreo nadika hoe “fahatezerana” voalaza eo dia endriny hafa amin’ilay teny hebreo nadika hoe “orona.”