FANAZAVANA MAHALIANA
Fanjakana Romanina
NOHARIN’NY Baiboly tamin’ny biby “nampahatahotra sy nahatsiravina ary natanjaka tsy nisy hoatr’izany” izay nanana nify vy lehibe i Roma. (Da 7:7) Io fanjakana io no navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema tamin’ny taona 70.
Saika noleferin’i Roma avokoa ny karazana fivavahana rehetra, raha mbola nivavaka tamin’ny mpanjaka koa ireo nanaraka azy ireny. Ny fivavahana tamin’ny mpanjaka, hono, no tena hampiray an’ilay fanjakana. Nantsoina hoe fahavalom-pirenena àry izay tsy nety nivavaka taminy. Tsy nety nanao izany anefa ny Kristianina. Matetika àry izy ireo no nenjehina mafy, na dia olom-pirenena nanao ny marina aza. Anisan’ny mpanenjika ireto mpanjaka ireto: Néron, Domitien, Marc Aurèle, ary Dioclétien. Nandidy ny hamonoana an’i Jesosy Kristy mihitsy aza i Pontio Pilato, governora romanina tany Jodia, rehefa noteren’ny mpitondra fivavahana jiosy. Te hiaro ny sezany mantsy izy.
SARITANY: Fanjakana Romanina
Aogosto Kaisara. Tamin’izy nanjaka no teraka i Jesosy
Sarin’i Tiberio Kaisara, eo amin’ny vola madinika. Tamin’izy nanjaka no novonoina i Jesosy
Klaodio Kaisara, izay nandidy an’ireo Jiosy hiala tany Roma
Néron. Teo anatrehany no notsaraina ny apostoly Paoly
Vespasien. Tamin’izy nanjaka no noravana i Jerosalema sy ny tempoliny
Sarin’i Titus, zanak’i Vespasien, eo amin’ny vola madinika romanina. Lasa mpanjaka izy, sivy taona taorian’ny nandravana an’i Jerosalema
Domitien. Tamin’izy nanjaka no mafy indrindra ny fanenjehana ny Kristianina, ka natao sesitany ny apostoly Jaona
Sisa tavela amin’ilay lakandrano romanina tao Kaisaria, tanàna nisy seranan-tsambo. Naorin’i Heroda Lehibe io tanàna io, ary tao no nipetraka ireo governora romanina tany Jodia
Nolovana tamin’ny Romanina ireto andry tao Samaria taloha ireto
Sarin’ny Tilikambon’i (Lapa Voaro Mafin’i) Antonia, izay teo amin’ny zorony avaratrandrefan’ny tokotanin’ny tempolin’i Jerosalema. Teo ny Romanina no nanara-maso ny faritry ny tempoly
Toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly tao Jerosalema, izay naorin’i Heroda Lehibe. Toy ny fanaon’ny Romanina, dia nisy fifaninanana hazakazaka an-kalesy tao sy fampiadiana an’ireo voaheloka ho faty tamin’ny bibidia masiaka
Andohalambon’i Titus any Roma, ho fahatsiarovana ny nandresen’i Roma an’i Jerosalema tamin’ny taona 70
Andohalambon’i Titus any Roma. Misy sary mivohitra eo amin’ilay izy ahitana miaramila romanina mitondra an’ireo fanaka masina avy tao amin’ny tempoly
Sisa tavela amin’i Colisée, any Roma. Mampahatsiahy an’ireo fialam-boly feno herisetra be mpitia tany Roma fahiny izy io
Alitara nampiasain’ireo nivavaka tamin’i Kaisara. Nenjehina mafy ny Kristianina satria tsy nety nandoro emboka manitra ho an’ny mpanjaka