FANAZAVANA MAHALIANA
Fahazazan’i Jesosy
FOHY nefa mazava tsara ny fitantaran’ny Baiboly momba ny fahazazan’i Jesosy, ary milaza ny tena zava-nisy. Mbola azo tsidihina hatramin’izao i Betlehema, Ejipta, Nazareta, ary Jerosalema izay voaresaka ao. Nitranga tamin’ny andron’ireo olo-malaza toa an’i Aogosto Kaisara, Kyrenio Governora, Heroda Lehibe Mpanjaka, ary Arkelaosy koa ilay tantara.
Betlehema ankehitriny. Tany i Jesosy no teraka.
Sary mampiseho ny toerana nahaterahan’i Jesosy
Lapan’i Heroda Lehibe aranty any Jerosalema. Io mpanjaka io no nitady hamono an’i Jesosy zazakely
Vola madinika halimo nataon’i Arkelaosy. Ren’i Josefa fa izy io no nitondra tao Jodia, ka nentiny nankany Nazareta, tany ivelan’ny faritra niadidian’i Arkelaosy, ny fianakaviany
Vola madinika halimo nataon’i Heroda Lehibe sady misy ny anarany
Mety ho toy izao ny faritry ny tempoly tao Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany
Jesosy 12 taona, tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra izy, ary nihaino sady nanontany azy
Jesosy tovolahy tany Nazareta, niara-nandrafitra tamin’ny rainy
En Nasira (Nazerata) any Galilia. Tao angamba no nisy an’i Nazareta, toerana nahalehibe an’i Jesosy