TATSINANANA
Mponina tany amin’ireo tany nantsoin’ny mpanoratra hebreo hoe “Atsinanana.” Tany atsinanan’i Israely io faritra io, ary hatrany avaratratsinanana ka hatrany atsimoatsinanana tany Arabia. (Ge 25:6; Je 49:28) “Nankany amin’ny tanin’ny Tatsinanana” tany avaratratsinanan’i Kanana àry i Jakoba, rehefa nankany amin’ny fianakavian’i Labana tany Harana.—Ge 29:1.
Voalaza fa “nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana [a.b.t.: zanaky ny Atsinanana] rehetra” i Joba. (Jb 1:3) Ny Amalekita sy ny Midianita ary ny “Tatsinanana” ireo nampahory ny Israely, talohan’ny nandresen’i Gideona azy ireny. Tsy fantatra hoe iza ireo Tatsinanana ireo. (Mpts 6:3, 33; 7:12; 8:10) Nalaza ho nanam-pahendrena ireo Tatsinanana, saingy mbola nihoatra noho ny azy ireo ny an’i Solomona. (1Mp 4:30) “Mpanandro avy any atsinanana” ireo lazaina fa olon-kendry na Magy nitsidika an’i Jesosy zaza.—Mt 2:1, 2, 11.