MPIANDRAIKITRA
Ny teny hebreo pakid no nadika hoe mpiandraikitra. Izy io dia avy amin’ny matoanteny pakad, izay midika hoe “mitsinjo” (Ge 21:1), “mitsidika” (Mpts 15:1), “manendry” (Ge 39:5), na “maniraka” (Ezr 1:2). Episkôpôs kosa ny teny grika nadika hoe mpiandraikitra. Iray tarika amin’izy io ny matoanteny episkôpeô midika hoe “mitandrina tsara” (He 12:15), sy ny anarana episkôpe midika hoe “fanaraha-maso” (Lk 19:44; 1Pe 2:12), “mpiandraikitra” (1Ti 3:1), na “andraikitra tanana” (As 1:20). Inefatra ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no nandika ny pakid hoe episkôpôs. (Mpts 9:28; Ne 11:9, 14, 22) Misahana raharaha sasany na manampy, mitsidika, manara-maso, ary manendry olona àry ny mpiandraikitra. Manara-maso izy mba hiarovany an’izay eo ambany fiandraiketany, rehefa jerena ny hevitr’ilay teny grika.
Mpiandraikitra ao amin’ny Soratra Hebreo. Nasain’i Josefa nanendry mpiandraikitra hanangom-bokatra mandritra ireo taona zina i Faraon’i Ejipta, mba hisy sakafo mandritra ny mosary. (Ge 41:34-36) Ny fianakaviamben’ny Levita sy ny mpiadidiny kosa samy nanana andraikitra tao amin’ny tranolay masina. (No 3:24-26, 30, 31, 35-37) “Lehiben’ireo mpiadidy teo amin’ny Levita” i Eleazara zanak’i Arona, ary niandraikitra ny tranolay manontolo sy ny fitaovana tao. (No 3:32; 4:16) Azon’ny mpisoronabe natao koa ny nanendry mpiandraikitra tao amin’ny toerana masina. (2Mp 11:18) Resahin’ny Tantara Voalohany (toko 23-27) ny andraikitra maro samihafan’ny mpisorona sy ny olona ambony tao an-dapa ary ireo niandraikitra ny harena sy ny tafika, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.
Lazain’ny Isaia 60:17 koa hoe “mpampiasa” ny “mpiandraikitra.” Mety hanendry olona hanao asa sasany mantsy izy, ary mety hanara-maso sy hikarakara an’izay olona na zavatra nankinina taminy. Hoy ilay andininy: ‘Hotendren’i Jehovah ho mpiandraikitra anao ny fiadanana ary ho mpampiasa anao ny fahamarinana.’ Tanteraka voalohany tamin’ny Israelita avy tany an-tsesitany izany, nefa tanteraka indrindra koa amin’ny fiangonana kristianina.
Mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Ireo “anti-panahy” (presbyterôi) eo anivon’ny fiangonana ihany no “mpiandraikitra” (episkôpôi) kristianina. Porofon’izany ny tenin’i Paoly tamin’ireo ‘anti-panahin’ny fiangonan’i’ Efesosy tonga nihaona taminy tao Mileto. Hoy izy: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra [endriny hafa amin’ny hoe episkôpôi], mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra.” (As 20:17, 28) Manamafy izany koa izay nolazainy tamin’i Titosy momba ny fanendrena “anti-panahy isan-tanàna.” Nantsoiny hoe “mpiandraikitra” (episkôpôs) ireny anti-panahy ireny. (Tit 1:5, 7) Mitovy àry ny andraikitry ny presbyterôs sy episkôpôs, fa ny presbyterôs manasongadina ny fahamatorany, ary ny episkôpôs kosa manasongadina an’ireo andraikiny.—Jereo ANTI-PANAHY.
Tsy voafaritra hoe firy ny isan’ny mpiandraikitra isaky ny fiangonana, fa arakaraka ny isan’izay nahafeno fepetra sy nekena ho “anti-panahy” izany. Nisy maromaro ny mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonan’i Efesosy. Maromaro koa ireo “mpiandraikitra” tany Filipy, tamin’i Paoly nanoratra ho azy ireo sy ho an’ny Kristianina tany. (Fi 1:1) Midika izany fa niara-niantsoroka andraikitra teo anivon’ilay fiangonana ireo mpiandraikitra ireo.
Nitovy ny fahefan’ireo mpiandraikitra na anti-panahy teo anivon’ny fiangonana, rehefa dinihina ny Soratra Grika Kristianina. Tsy nilaza akory i Paoly tao amin’ireo taratasy nosoratany ho an’ireo fiangonana hoe anaram-boninahitra nomena lehilahy iray monja ny hoe mpiandraikitra. Tsy nataony ho an’ny mpiandraikitra tokana koa ireo taratasiny. “Ho an’ny olona masina rehetra tafaray amin’i Kristy Jesosy any Filipy, mbamin’ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana”, ohatra, ny taratasiny ho an’ny Filipianina. (Fi 1:1) Hoy i Manuel y Gomez momba izany: “Azo antoka fa tsy fitondran’olon-tokana no dikan’ilay hoe episkôpôs ao amin’ny taratasy ho an’ny Filipianina. Olona maromaro nitovy fahefana kosa no tian’izy io holazaina. Izy ireo no nitantana sy niandraikitra ny fiangonana kristianina tao amin’io tanàna tany Makedonia io. Diakônôs kosa no ilazana an’ireo manampy ny episkôpôs sy manampy an’ireo mpino, raha jerena ny hevitr’ilay teny.”—Episcopos y Presbyteros, Burgos, Espaina, 1962, p. 320.
Fepetra takina amin’ny mpiandraikitra na anti-panahy. Ireto avy izany: “Ny mpiandraikitra àry dia tokony ho tsy misy hokianina, manambady tokana, mahay mandanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony, olona misaina tsara, tia filaminana, tia mandray vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo mila ady, tsy mpikapoka fa mpandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, mahay mitondra ny ankohonany, sady manana zanaka manaiky azy amim-panajana, ... tsy zazavao amin’ny finoana ... Tokony ho tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany koa izy.”—1Ti 3:1-7.
Nilaza koa i Paoly tamin’izy nanoratra ho an’i Titosy fa izay te hahafeno fepetra ho anti-panahy dia tokony ho “lehilahy tsy misy hokianina, manambady tokana, manana zanaka mpino izay tsy ampangaina ho miliba no sady tsy maditra. Tsy maintsy ho olona tsy misy hokianina ny mpiandraikitra satria mpanompon’Andriamanitra. Tsy maintsy ho olona tsy be di-doha koa izy, tsy mora tezitra, tsy mpimamo mila ady, tsy mpikapoka, tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina, fa tia mandray vahiny kosa, tia izay tsara, misaina tsara, marina, tsy mivadika, mahafehy tena, mitana mafy ilay teny azo antoka rehefa mampianatra, mba hahaizany handrisika ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa sy hahaizany hananatra an’izay manohitra.” (Tit 1:5-9) Misy tsy itovizany amin’ny fepetra voalaza etsy aloha ireo fepetra ireo, satria hafa ny zavatra nilain’ireo fiangonana nampian’i Titosy tany Kreta.—Tit 1:10-14.
Ilay mpiandraikitra fara tampony. Hoy i Petera: ‘Tahaka ny ondry nania ianareo taloha [jereo Is 53:6], nefa ankehitriny niverina tamin’ilay mpiandry sy mpiandraikitra anareo.’ (1Pe 2:25) I Jehovah Andriamanitra ilay mpiandraikitra voalaza eo, satria tsy nania niala tamin’i Kristy Jesosy ireo nanoratan’i Petera, fa naverina tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy kosa. I Jehovah mantsy no Mpiandry Lehibe Indrindra ny olony. (Sl 23:1; 80:1; Je 23:3; Ezk 34:12) Mpiandraikitra koa izy satria manara-maso. (Sl 17:3) Mety hanameloka an’izay arahiny maso [gr.: episkôpe] izy, toy ny nataony tamin’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. Tsy takatr’izy io mantsy fa efa fotoana “nanaraha-maso [gr.: episkôpes]” azy tamin’izay. (Lk 19:44) Mety hitondra soa ho an’ireo manome voninahitra an’Andriamanitra koa anefa ny andro “fanaraha-maso [gr.: episkôpes].”—1Pe 2:12.
“Mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.” Nilaza i Petera fa tsy tokony ‘hitsabaka amin’ny raharahan’olona’ ny Kristianina. (1Pe 4:15) Ny teny grika allôtriepiskôpôs, midika ara-bakiteny hoe “mpiandraikitra an’izay an’olona”, no nadika hoe “mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.” Nilaza i Francisco Zorell fa ny dikan’io teny grika io dia hoe “olona mitsabaka amin’ny raharahan’olona sy manitsy izay heveriny fa tsy mety satria andraikiny, hono, izany, sady sahy mitsofotsofoka amin’ny fiainan’olona.”—Lexicon Graecum Novi Testamenti, Paris, 1961, tsang. 70.
[Efajoro, pejy 496]
Mpiandraikitra na Anti-panahy
Mpanampy Amin’ny Fanompoana
tsy misy hokianina
tsy misy hokianina
tsy misy hokianina
manambady tokana
manambady tokana
manambady tokana
tsy mpimamo mila ady
tsy mpimamo mila ady
tsy mpiboboka divay
tsy tia vola
tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina
tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina
mahay mitondra ny ankohonany, sady manana zanaka manaiky azy
manana zanaka mpino izay tsy ampangaina ho miliba no sady tsy maditra
mahay mitondra ny zanany sy ny ankohonany
tsy zazavao amin’ny finoana
—
nozahan-toetra mba ho hita raha mendrika
misaina tsara
misaina tsara
—
tia mandray vahiny
tia mandray vahiny
—
mahay mampianatra
mitana an’ilay teny azo antoka rehefa mampianatra, ka mahay mandrisika sy mananatra
—
tsy mpikapoka
tsy mpikapoka
—
mpandefitra
tsy be di-doha
—
tsy mpila ady
tsy mora tezitra
—