PADANA
(Padàna) [mety hidika hoe Lemaka (Tany Lemaka)].
Fanafohezana an’ilay anarana hoe “Padana-arama.” (Ge 35:9; 48:7) Toa i Padana ihany ilay “ambanivohitr’i Syria [Arama].” (Ge 28:6, 7; Ho 12:12) Faritra nanodidina ny tanànan’i Harana izy io, tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia. (Ge 28:7, 10; 29:4) Misy mihevitra fa iray ihany i Padana sy Arama-naharaima. Toa faritra iray tao Arama-naharaima anefa i Padana. (Ge 24:10; 25:20; jereo ARAMA No. 5.) Misy faritra be tendrombohitra mantsy any Arama-naharaima, nefa tsy misy afa-tsy “lemaka”, na “tany lemaka” ao Padana, raha marina ny dikan’ny anarany.—No 23:7; De 23:4; jereo MEZOPOTAMIA.
Nonina kelikely tany Harana, any Padana, i Abrahama loham-pianakaviana fahiny. (Ge 12:4; 28:7, 10) Nahazo vady tany amin’ny havany tany Harana i Isaka zanany lahy, ary tany koa i Jakoba zafikeliny no naka vady tatỳ aoriana. (Ge 22:20-23; 25:20; 28:6) Nijanona tany Padana nandritra ny 20 taona i Jakoba, ary nanompo an’i Labana rafozandahiny. (Ge 31:17, 18, 36, 41) Tany izy no niteraka an’i Dina sy ny zanany 11 lahy. (Ge 29:20–30:24) Tany Kanana kosa i Benjamina zanany lahy faha-12 no teraka.—Ge 35:16-18, 22-26; 46:15; 48:7.