PETORA
(Petòra).
Tanàna niavian’i Balama mpaminany, izay nitady hanozona ny Israely. I Petora dia teo “amoron’ny Renirano” (toa i Eofrata) tany “Arama-naharaima” (soratra nataon’ny Masoreta) na “Mezopotamia” (LXX). (No 22:5; 23:7; De 23:4) Maro no milaza fa i Petora ihany ilay resahin’ny soratra asyrianina hoe “Pitro”, eo amoron’i Sajoro, renirano any andrefan’i Eofrata. Eo atsimon’i Karkemisy io Sajoro io no mivarina ao Eofrata. Tsy hifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly mihitsy io toerana misy an’i Sajoro io raha tsy hoe angaha tonga hatrany andrefan’i Eofrata ilay faritra antsoina hoe “Arama-naharaima” na “Mezopotamia.”