FILOZOFIA
(filôzôfìa).
Midika ara-bakiteny hoe “fitiavana fahendrena” ny hoe filôsôfia (gr.). Miezaka hahatakatra sy hanazava ny lafim-piainana rehetra ary ny antony sy ny fitsipika mifehy ny zava-misy ny filozofa ankehitriny, ka mandinika sy manombantombana.
Samy miseho indray mandeha ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny teny grika nadika hoe “filozofia” sy “filozofa.” (Kl 2:8; As 17:18) Saika voataonan’ny “filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona”, ny Kristianina sasany anisan’ny fiangonan’i Kolosia tany Azia Minora nanoratan’i Paoly. Nalaza be tamin’izany ny filozofia grika. Ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy anefa no tena nampanahy an’i Paoly, satria tian’ireo hitandrina indray ny Lalàn’i Mosesy, toy ny momba ny famorana, andro fety, ary fifadiana sakafo sasany ny Kristianina. (Kl 2:8, 11, 16, 17) Tsy hoe tsy tian’i Paoly hahazo fahalalana ny Kristianina, satria nivavaka izy mba hofenoina an’izany izy ireo. Tsy ho azo anefa, hoy izy, ny tena fahendrena sy fahalalana marina, raha tsy ekena fa mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy Kristy. (Kl 1:9, 10; 2:2, 3) Nila nitandrina ny Kolosianina sao ho resy lahatra ka ho lasa rembin’ny olona mandala ny fomba fisainan’olombelona. Anisan’ny “zavatra fototra [stôikeia] eo amin’ity tontolo ity”, na fitsipika mifehy sy antony manosika azy hanao zavatra ny filozofia toy izany, fa “tsy araka an’i Kristy.”—Kl 2:4, 8.
Niady hevitra tamin’ny “Epikoreanina sy ny filozofa stôika” i Paoly tany Atena (As 17:18), ka nataon’izy ireo hoe “be resaka” na spermôlôgôs (gr.). Ilazana ara-bakiteny vorona mitsindroka voa io teny io, nefa ilazana koa olona mitsindroka sombim-pahalalana ka mamerina an’ilay izy saingy tsy milahatra na mirindra izay lazainy. Nohamavoin’ireo filozofa ireo i Paoly sy ny hafany. Ny mikatsaka fahafinaretana, indrindra fa ho an’ny saina, no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, hoy ny Epikoreanina. (1Ko 15:32) Nino izy ireo hoe misy andriamanitra, saingy tsy raharahainy, hono, ny olombelona. Ny Stôika kosa nino ny lahatra sy anjara. Ilaina, hono, ny manao ny tsara nefa ilaina koa ny tsy miraharaha fanaintainana sy fahafinaretana. Tsy nino ny fitsanganan’ny maty ny Epikoreanina sy ny Stôika. Nohazavain’i Paoly anefa fa tokony hifandray amin’ny Mpamorona ny tsirairay. Mbola hatao ampamoaka mantsy ilay olona, ary i Kristy natsangana tamin’ny maty no “antoka” ny amin’izany. “Hadalana” tamin’ny Grika nitady “fahendrena” ny hafatra momba an’i Kristy (1Ko 1:22, 23), ka maro no naneso an’i Paoly rehefa niresaka fitsanganan’ny maty izy. Nisy ihany anefa lasa mpino.—As 17:22-34.
Nanoratra imbetsaka i Paoly hoe hadalana amin’Andriamanitra ny fahendren’ity tontolo ity sy izay ataony hoe fahalalana nefa sandoka, ka tokony hohalavirin’ny Kristianina.—1Ko 1:18-31; 2:6-8, 13; 3:18-20; 1Ti 6:20.