DOBO
Lavaka lehibe fanangonan-drano nohadina tao anaty tany na vatolampy. Tao an-tanàna ny dobo sasany, ary lakandrano no nampifandray azy tamin’ny loharano ka nanana rano foana ny mponina tao na dia rehefa nisy fahirano aza. Lava-bato nohalehibeazina na namboarina ny dobo sasany.
Resahin’ny Soratra Masina, ohatra, ny dobon’i Gibeona (2Sa 2:13; jereo GIBEONA, GIBEONITA), sy ny dobo tao Hebrona (2Sa 4:12), Hesbona (To 7:4; jereo BATA-RABIMA), Samaria (1Mp 22:38), ary Jerosalema. Mety ho ireo fitehirizan-drano eo atsimon’i Betlehema, hono, ireo dobo nataon’ilay mpamory vahoaka (Solomona Mpanjaka) hanondrahana zana-kazo. (Mpto 2:6) Rano avy teo amin’ny loharano teny akaiky no nangonina tao.
Dobon’i Jerosalema. Tao Birket Silwan ankehitriny, eo atsimoandrefan’ny Tanànan’i Davida, no toa nisy ny Dobon’i Siloama fahiny. (Jn 9:7) Azo inoana fa teo akaiky teo koa ilay dobo namboarin’i Hezekia Mpanjaka, izay nifampitohy tamin’ilay lakandrano nitarihany ny ranon’ny loharanon’i Gihona nankao Jerosalema.—2Mp 20:20; 2Ta 32:30.
Tsy resahin’ny Baiboly hoe taiza ho aiza tao Jerosalema ireo “dobo tranainy” (Is 22:11) sy “dobo ambony” (2Mp 18:17; Is 7:3; 36:2) ary “dobo ambany” (Is 22:9). I Birket el-Hamra eo amin’ny tendrony atsimon’ny Lohasahan’i Tyropoeona ilay “dobo ambany” (angamba ilay “Dobon’ny Lakandrano” [Ne 3:15]), hoy ny manam-pahaizana. Samy manana ny filazany momba izay nisy ny “dobo ambony” kosa izy ireo.—Jereo DOBON’NY LAKANDRANO.
Teo anelanelan’ny Vavahadin’ny Antontan-davenona sy ny Vavahadin-doharano “ny Dobon’ny Mpanjaka” (Ne 2:13-15), izay mety ho ilay resahin’ny Nehemia 3:16 ihany.
Misy fanazavana momba ny Dobon’i Betesda ao amin’ny hoe BETESDA.
Kamory anirian’ny bararata. Berekah ny teny hebreo midika hoe “dobo” (nataon’olona), fa ʼagam kosa ny hoe “kamory anirian’ny bararata” (azo inoana fa lavaka voajanahary ihandronan’ny rano). (Ek 7:19; 8:5; Sl 107:35; 114:8; Is 35:7; 41:18) Hataon’Andriamanitra “kamory anirian’ny bararata” i Babylona, izany hoe ho lao tanteraka.—Is 14:23.