PROKORO
(Prokòro) [mety ho avy amin’ny fototeny gr. midika hoe “mandeha (na mandihy) eo aloha ao anatin’ny antoko-mpihira”].
Anisan’ny fito lahy tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena, ka voatendry hizara sakafo isan’andro teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. Azo antoka fa tsy niangatra izy ireo.—As 6:1-6.