OHA-TENY, TENY FANARABIANA, FITENENANA
Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe mashal, izay toa avy amin’ny fototeny midika hoe “toy ny” na “mitovy amin’ny.” (Sl 49:12) Fampitoviana na fampitahana tokoa ny ankamaroan’ny oha-teny sy teny fanarabiana ary fitenenana. Misy ifandraisany amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “mitondra” ny hoe mashal, hoy ny manam-pahaizana sasany, ka mety hilazana tenin’ny mpitondra na teny mafonja na tenin’olona marani-tsaina. Afaka nilaza ohabolana 3000 sy nanoratra oha-teny maro tokoa i Solomona mpanjaka hendry.—1Mp 4:32.
Ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nilazana ny oha-teny na fitenenana sasany no nahatonga azy ireny hisy heviny. Lasa fantatry ny Israelita sy fampiasany izy ireny. Fohy ny oha-teny na fitenenana, tamin’ny ankapobeny. (1Sa 10:12) Nisy anefa nampita hevi-diso, ary nisy aza tsy neken’i Jehovah.—Ezk 12:22, 23; 18:2, 3.
Nisy oha-teny na fitenenana lasa fanarabiana na fanamavoana karazan’olona sasany. (Ha 2:6) Mety ho ilay olona na ilay zavatra nohamavoina mihitsy aza tamin’izay no natao hoe “teny fanarabiana.” Nampitandremana ny Israelita fa hatao toy izany eo amin’ny firenena izy ireo sy ny tempoliny, raha tsy mihaino an’i Jehovah sy tsy mankatò ny didiny. (De 28:15, 37; 1Mp 9:7; 2Ta 7:20) Asehon’ny teny manodidina hoe inona no hatao amin’izay firenena lasa “teny fanarabiana.” Holatsaina, hesoina, hoharabina, ary halam-baraka àry ny Israely. (Sl 44:13-15; Je 24:9) Lasa ambentin-kiran’ny mpisotro toaka ny olona natao teny fanarabiana, ary mety ho nororan’ny olona ny tarehiny. (Sl 69:11, 12; Jb 17:6) Tena nietry àry izy.
Tsy voatery ho fehezanteny fohy iray na roa mifono hevi-dalina ny oha-teny na fitenenana sy ny teny fanarabiana. Lava be, ohatra, ilay teny fanarabiana voalazan’ny Isaia toko faha-14. Mazava sy mety tsara ny teny ilazany sy ampitahany ny voka-dratsin’ny fireharehan’ny mpanjakan’i Babylona. Nihevi-tena ho “ilay mamirapiratra, zanaky ny maraina” izy, ka tsy mahagaga raha nahazo esoeso mandratra.
Azo lazaina koa hoe teny saro-pantarina ny oha-teny, raha tsy tonga dia azo na tsy dia mazava ny fampitoviana na fampitahana lazainy. (Sl 78:2) Misy koa ankamantatra, toy ilay nampitahan’i Ezekiela ny fifandraisan’ny Israelita tamin’i Babylona sy Ejipta. Toy ny voaloboka nambolen’ny voromahery iray izy ireo, hoy izy, nefa avy eo mailaka erỳ hisandrahaka ho any amin’ny voromahery hafa.—Ezk 17:2-18.
Hoatran’ny tononkalo ny oha-teny sasany, toy ireo nolazain’i Joba. (Jb 27:1; 29:1) Tsy fohy toy ny ankamaroan’ny ohabolana ny oha-teniny, fa tononkalo voaravaka teny an’ohatra izay nampitany hevitra ianaran-javatra maro.
Nasain’Andriamanitra nanao oha-teny maromaro koa i Balama, ary hoatran’ny tononkalo izy ireny. (No 23:7, 18; 24:3, 15, 20, 21, 23) Tsy afaka nanamavo ny Israelita mihitsy izy, fa ‘vao mainka nitso-drano’ azy ireo, na dia efa nanozona firenen-kafa aza izy. (No 23:11) Tsy hoe lasa fampiasan’ny olona anefa ny teny nolazainy, ary tsy hoe teny fohy feno fahendrena. Oha-teny kosa izy ireny satria mafonja sy misy heviny ary misy fampitoviana na fampitahana isan-karazany.