POPLIO
(Pôpliô) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe “Fanta-bahoaka”].
Mpanankarena nanan-tany tao Malta. Nampiantrano an-dry Paoly nandritra ny telo andro izy, satria rendrika teo akaikin’ilay nosy ny sambo nisy azy ireo. Nositranin’i Paoly àry ny rainy izay nanavy sady nivalan-dra.—As 28:7, 8.
“Lehiben’ilay nosy” i Poplio. Toa anaram-boninahitra mitovy amin’ny hoe governora izy io eto, ka nilazana ny manam-pahefana romanina ambony indrindra tao Malta angamba.