FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kitapom-bola, Fitoeram-bola”
  • Kitapom-bola, Fitoeram-bola

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kitapom-bola, Fitoeram-bola
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kitapom-batsy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kitapo, Gony
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kitapo Fitondran’ny Mpiandry Ondry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kitapom-bola, Fitoeram-bola”

KITAPOM-BOLA, FITOERAM-BOLA

Kitapo nampiasain’ny lehilahy sy vehivavy hitondrana volamena, volafotsy, varahina, vola madinika, na zavatra hafa. Nataon’ny vehivavy haingo indraindray ny kitapom-bola boribory lavalava. (Is 3:16, 22; 46:6; Mt 10:9) Vita tamin’ny hoditra, harefo norarina, na landihazo ny kitapom-bola fahiny. Nofatorana tamin’ny tady hoditra na tady hafa ny vavan’ireny kitapo ireny.​—Jereo KITAPO, GONY.

Nampiasaina koa ny fehikibo fasiana vola (a.b.t.: fehikibo; gr.: zône; Mt 10:9; Mr 6:8), izay mety ho nisy lavaka azo nametrahana vola. Mety ho fehikibo lamba navalombalona koa ilay izy, ka natao tao anatin’ilay nivalombalona ny vola.

Nirahin’i Jesosy hitory tany Jodia ny mpianany 70, ary nilazany mba tsy hitondra fitoeram-bola. Hanome izay ilain’izy ireo amin’ny alalan’ny Israelita zatra nandray vahiny mantsy i Jehovah Andriamanitra. (Lk 10:1, 4, 7) Nilaza anefa i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany, fa nila nitondra fitoeram-bola ny apostoly, satria fantany fa henjehin’ny fanjakana sy hotoheriny ny mpianany ka hiparitaka. Na ny olona tia ny hafatra notoriny aza mety tsy ho sahy hanampy azy. Hitory any amin’ny hafa firenena koa izy ireo. Tokony ho vonona hikarakara izay ilainy àry izy ireo.​—Lk 22:35, 36.

Nasongadin’i Jesosy fa tena sarobidy ny harena ara-panahy, tamin’izy nandrisika ny mpianany hanana fitoeram-bola maharitra mandrakizay, dia harena any an-danitra.​—Lk 12:33.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara