FAMAKIAN-TENY
Fanononana mafy ny teny voasoratra; fianarana avy amin’izay voasoratra.
Efa hatry ny ela ny olona no tia namaky teny. Hoy i Asorobanipala mpanjakan’i Asyria, izay nitahiry soratra sy takela-tanimanga 22 000: “Faly aho namaky soratra teo amin’ny vato, dia soratra natao talohan’ny safodrano.” (Fanazavan’ny Tantara Fahiny, nataon’i J. Finegan, 1959, p. 216, 217) Mety ho lovantsofina momba ny Safodrano naneran-tany izy io, na asa soratra natao talohan’ny tondra-drano lehibe iray tany Asyria. Angano babylonianina momba ny safodrano iray no hany tantara an-tsoratra momba ny safodrano, hita tao an-dapan’i Asorobanipala efa ravarava. Tsy fantatra àry izao raha nanana tantara marina na asa soratra natao talohan’ny Safodrano naneran-tany ny Asyrianina mpanompo sampy na tsia.
Namaky teny ny olona raha vao nanomboka nanoratra. Misy porofo momba izany resahin’ny lahatsoratra hoe MANORATRA, SORATRA.
Nisy namaky teny sy nanoratra tamin’ny andron’i Mosesy tamin’ny taonjato faha-16 T.K., araka ny fitantaran’ny Baiboly ny zava-nitranga tamin’izany. (Ek 17:14) Nasaina namaky teny sy nanoratra koa ny Israelita. (De 6:6-9) Nodidian’Andriamanitra hamaky ny Teniny “andro aman’alina” na tsy tapaka i Josoa, izay mpitarika ny Israely nandimby an’i Mosesy, mba hahomby tamin’ny asa nanendreny azy. Tena navesa-danja àry izy io matoa tsy maintsy novakiny “moramora” mba hotadidiny.—Js 1:8; Sl 1:2.
Tsy maintsy nadikan’ny mpanjakan’ny Israely ho an’ny tenany sy novakiny isan’andro ny lalàn’Andriamanitra. (De 17:18, 19; jereo FISAINTSAINANA.) Tsy nanao izany anefa izy ireo ka niala tamin’ny fivavahana marina ny vahoaka ary niharatsy fitondran-tena. Noravana àry i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.
Afaka namaky ny horonana rehetra misy ny Soratra Hebreo i Jesosy tao amin’ny synagoga, ary namaky ampahibemaso izy indray mandeha ka nilaza fa tanteraka taminy izay novakiny. (Lk 4:16-21) Namaly foana izy hoe “Voasoratra hoe”, rehefa naka fanahy azy intelo i Satana. (Mt 4:4, 7, 10) Tena hainy tsara àry ny Soratra Masina.
Vato fototry ny tempoly masina na ny fiangonana kristianina ireo apostoly. Tsapan’izy ireo fa nilainy ny namaky ny Soratra Masina rehefa nanompo. Matetika izy ireo no naka teny mivantana na an-kolaka tao amin’ny Soratra Hebreo, rehefa nanoratra. Nampirisihiny hamaky azy io koa ny hafa. (As 17:11) Fantatry ny mpitondra jiosy fa tsy dia nahita fianarana sy olon-tsotra ny apostoly Petera sy Jaona. (As 4:13) Nahay namaky teny sy nanoratra anefa izy ireo, matoa afaka nanoratra an’ireo taratasiny, na dia tsy nanao fianarana ambony tany amin’ny sekoly hebreo na nampianarin’ny raby aza. Nahagaga ny Jiosy koa ny fahalalan’i Jesosy, nefa izy ‘tsy nianatra tany amin’ny sekolin’izy ireo’ akory, hono. (Jn 7:15) Nahay namaky teny ny olona tamin’izany, matoa hitan’i Filipo namaky ny faminanian’i Isaia ilay tandapa etiopianina (izay efa niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy) ka nohatoniny. Novalian-tsoa ilay tandapa tia namaky ny Tenin’Andriamanitra satria lasa mpianatr’i Kristy.—As 8:27-38.
Tamin’ny teny hebreo sy aramianina ny ampahany amin’ny Baiboly nosoratana talohan’ny taonjato voalohany. Nadika tamin’ny teny grika (lasa fiteny niraisam-pirenena) ny Soratra Hebreo tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Nosoratana tamin’ny teny grika koa ny Soratra Kristianina, afa-tsy ny Filazantsaran’i Matio. Afaka namaky Baiboly àry ny ankamaroan’ny olona nahay taratasy tao amin’ny Fanjakana Romanina. Nahazo azy io koa ny Jiosy tany Palestina sy ireo niely tany ivelany.
Mora vakina sy sarobidy ny Baiboly ka be mpamaky. Izy io tokoa no boky miely patrana indrindra (an’arivony tapitrisa no natao pirinty), ary efa voadika (izy manontolo na ny ampahany aminy) amin’ny fiteny sy fitenim-paritra maherin’ny 2500. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eran-tany àry, hono, no manana azy io amin’ny fiteniny.
Resahin’ny Baiboly ny soa maro raisin’ny mpamaky azy, ohatra hoe lasa manetry tena (De 17:19, 20), sambatra (Ap 1:3), ary mahatakatra ny fahatanterahan’ny faminaniana (Ha 2:2, 3). Lazainy koa fa ilaina ny mifantina izay vakina satria tsy ny boky rehetra no mampahery sy mamelombelona.—Mpto 12:12.
Mila ny fanahin’Andriamanitra ny olona te hahazo ny tena hevitry ny Teniny (1Ko 2:9-16) sy te handray soa avy amin’izy io. Tokony halala-tsaina koa izy ka hamaky azy io amin’ny saina tsy miangatra, sao ho lasa toa an’ireo Jiosy nanda ny vaovao tsara notorin’i Jesosy ka tsy hahazo ny hevitr’izy io. (2Ko 3:14-16) Tsy tokony hamaky maimaika fotsiny ny olona iray, fa tokony hampifantoka ny fo sy ny sainy, handalina sy hisaintsaina lalina, ary hitady izay fomba handraisany soa avy amin’izay vakiny.—Oh 15:28; 1Ti 4:13-16; Mt 24:15; jereo VAKITENY AMPAHIBEMASO.