FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fotoanan’ny Fanavaozana”
  • Fotoanan’ny Fanavaozana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fotoanan’ny Fanavaozana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fotoana fanavaozana
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Hisy Indray ny Paradisa!
    Mifohaza!—2008
  • Nampianatra Momba ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany ve i Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Foko
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fotoanan’ny Fanavaozana”

FOTOANAN’NY FANAVAOZANA

Niresaka tamin’ny apostoliny momba ny “fotoanan’ny fanavaozana” i Jesosy, ary nilaza fa hitranga izany rehefa “hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona.” (Mt 19:28; Lk 22:28-30) Palingenesia no teny grika nadika hoe “fotoanan’ny fanavaozana.” Ireto avy no hevitr’ireo teny ao anatin’io teny grika io: “Indray, fanindroany” sy hoe “fahaterahana, fiandohana.” Nampiasain’i Philon io teny io rehefa niresaka momba ny nandaminana indray ny fiaraha-monina taorian’ny Safodrano izy. I Josèphe koa nampiasa azy io rehefa niresaka momba ny namerenana ny Israely indray tao amin’ny taniny, taorian’ny sesitany. Milaza ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao, nataon’i G. Kittel, fa ‘mitovy tanteraka amin’ny hevitr’ilay teny hoe palingenesia nampiasain’i Philon sy Josèphe’ ny hevitr’io palingenesia ao amin’ny Matio 19:28 io. (Nadikan’i G. Bromiley, 1964, Boky I, p. 688) Fanavaozana àry no tiana holazaina fa tsy famoronana zavaboary vaovao. Ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ny fikasan’i Jehovah momba ny tany, amin’ny fotoanan’ny fanavaozana.​—Jereo FOKO (“Hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.”)

Handray fitahiana lehibe maro avy amin’ilay Fanjakana ny olombelona mankatò. “Hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana [izy ireo], ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:19-21; jereo ZANAK’ANDRIAMANITRA [Fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.]) “Hitoeran’ny fahamarinana” ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (2Pe 3:13) Tsy maintsy hisy io tontolo vaovao io, satria efa nahazo fahitana momba izany i Jaona ao amin’ny Apokalypsy ary nilaza hoe: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho.”​—Ap 21:1-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara