FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rehoba”
  • Rehoba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehoba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Beti-rehoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Asera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Akziba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Batena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rehoba”

REHOBA

(Rehòba) [Tany Malalaka; Toerana Malalaka].

1. Rain’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba, izay resin’i Davida.​—2Sa 8:3-12.

2. Levita, na razamben’ny Levita, izay nanisy tombo-kase ny fifanekena natao tamin’ny andron’i Nehemia sy Ezra.​—Ne 10:1, 9, 11.

3. Toerana na tanàna voatonona, rehefa nijery taratra ny tany Kanana ireo Hebreo 12 lahy nirahin’i Mosesy. (No 13:21) Mety ho izy io ihany ilay “Rehoba” sy ilay “Beti-rehoba” resahin’ny 2 Samoela 10:6, 8.​—Jereo BETI-REHOBA.

4. Anaran’ny tanàna iray na roa, tany amin’ny faritanin’i Asera. (Js 19:24, 28, 30) Misy manam-pahaizana milaza fa tanàna iray ihany no lazain’ireo andininy ireo. Asehon’ny andinin-teny hafa anefa fa toa toerana roa samy hafa ireo. Milaza, ohatra, ny Mpitsara 1:31, 32 fa “tsy noroahin’ny fokon’i Asera koa ny mponin’i ... Rehoba”, ka voatery niara-nonina tamin’ny Kananita tao ny Aserita. Milaza kosa ny Josoa 21:27, 31 sy ny 1 Tantara 6:71, 75 fa nomena ny taranak’i Gersoma (Gersona) i Rehoba, ka lasa tanànan’ny Levita. Lazain’ireo mihevitra an’i Rehoba ho toerana roa samy hafa fa mbola teo am-pelatanan’ny Kananita ilay Rehoba iray, fa ilay iray kosa azon’i Asera ary nomena ny Levita avy eo. Misy àry mihevitra an’ilay Rehoba resahin’ny Josoa 19:28 ho i Kirbet el-ʽAmri, tokotokony ho 4 km any avaratratsinanan’i Akziba, ary ilay Rehoba resahin’ny andinin-teny hafa kosa ho i Tell el-Bir el-Gharbi (Tel Bira), tokotokony ho 10 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Ako. Lazain’ireo mihevitra an’i Rehoba ho toerana iray ihany kosa, fa tsy noroahina ny Kananita tao Rehoba tamin’ny voalohany nefa voaroaka ihany izy ireo tatỳ aoriana, ka afaka nonina tao ny Levita. Mihevitra àry izy ireo fa i Tell el-Bir el-Gharbi io Rehoba io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara