BITROM-BATO
[Heb.: shafan].
Adika koa hoe “hyraka” (Prot.) sy “zerboaza” (Kat.) ny hoe shafan (heb.). Toy ny bitro lehibe ny bitrom-bato saingy fohy sy boribory ny sofiny, fohy ny tongony, ary saika bory rambo izy. Matevina sy malemilemy ny faladiany. Monina eny amin’ny harambato ny bitrom-bato, satria misy lavaka azony isitrihana haingana eny raha vao misy loza. Saro-tahotra izy, nefa manaikitra mafy amin’ny nifiny anoloana rehefa tsy avela mivoaka ao an-davaka. Mihinana zavamaniry izy. Ilay atao hoe Procavia syriaca ilay bitrom-bato resahin’ny Baiboly.
Misy tsy manaiky ny filazan’ny Baiboly hoe biby mandinika sy tsy mivaky kitro ny bitrom-bato. (Le 11:5; De 14:7) Nodinihin’i Hubert Hendrichs, manam-pahaizana, anefa izy ireny tao amin’ny Valan-javaboary Hellabrunn akaikin’i Munich any Alemaina. Tsikariny fa mandinika ireny saingy hafakely ny fomba fitsakony sy fiteliny. Saika isak’alina izy ireny no mandinika, hoy izy, ary maharitra 25 ka hatramin’ny 50 minitra izany. Hoy ny gazety alemà iray: ‘Tsy fantatry ny manam-pahaizana momba ny biby izany teo aloha, nefa tsy zava-baovao akory satria azo vakina ao amin’ny Levitikosy toko fahiraika ambin’ny folo.’—Stuttgarter Zeitung, 12 Martsa 1966.
Misy koa milaza fa manana kitro roa mivaky ny bitrom-bato. Tsy azo lazaina ho “mivaky kitro” hoatran’ny omby anefa ny bitrom-bato, raha jerena ny tongony anoloana izay samy misy hoatran’ny kitro ny tendron’ny rantsany efatra, sy ny tongony aoriana izay samy misy rantsany telo sy hoho na kitro bitika telo.
Manana fahendrena voajanahary io biby io, na kely aza izy, hoy ny Baiboly. Tsy “mahery” izy, nefa tsy mora samborina satria sarotra aleha ny harambato onenany.—Sl 104:18; Oh 30:26.