ROMANINA
Fiantsoana an’izay nonina tao amin’ny tanànan’i Roma, any Italia, tany am-boalohany. (As 2:10; Ro 1:7) Nilazana an’ireo manam-pahefana koa indraindray ny hoe Romanina, rehefa nitatra ilay fanjakana. Ny “fanaon’ny Romanina” kosa no nilazana ny fomba fiasan’izy ireo. (Jn 11:48; As 25:16; 28:17) Mety ho olona nizaka ny zom-pirenena romanina fotsiny koa indraindray no nantsoina hoe “Romanina”, na inona na inona fiaviany ary na taiza na taiza izy no teraka.—As 16:21.
Azon’ny olona iray natao ny nividy ny zom-pirenena romanina. Izany, ohatra, no nataon’i Klaodio Lysia, mpitari-tafika. Nisy koa anefa tonga dia nanana ilay zo raha vao teraka. Anisan’izany ny apostoly Paoly izay Jiosy teraka tao Tarsosy, tany Kilikia, an-jatony kilaometatra avy teo Italia.—As 21:39; 22:3, 25-28; 23:26, 27; jereo OLOM-PIRENENA.
Narovana sy nahazo tombontsoa maro ny olom-pirenena romanina. Tsy nampandoavina hetra, ohatra, ny ankamaroan’izy ireo, rehefa resy i Makedonia tamin’ny 168 T.K. Tsy azo natao koa ny nikapoka Romanina, araka ny Lalàna Valeria sy ny Lalàna Porcia, izay nivoaka teo anelanelan’ny 509 sy 195 T.K. Araka ny Lalàna Valeria, dia tsy azo nokapohina ilay olom-pirenena, raha nangataka ny hotsarain’ny vahoaka. Ny Lalàna Porcia kosa nilaza fa tsy azo nokapohina izy, na dia tsy nangataka izany aza. Nampakarina tany amin’ny mpanjaka ny raharaha, tatỳ aoriana. Raha nahavita heloka mahafaty, ohatra, ny Romanina, dia azony natao ny nangataka ny ho any Roma mba hotsarain’ny mpanjaka. (As 25:11, 12) Nanao fahadisoana lehibe ireo sahy nandika ny Lalàna Valeria na ny Lalàna Porcia, araka ny hita tamin’ireo toe-javatra roa nitranga tamin’i Paoly.—As 16:37-40; 22:25-29.