FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sabeanina”
  • Sabeanina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sabeanina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Seba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sheba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fitsidihana Iray Novalian-tsoa Be dia Be
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Oza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sabeanina”

SABEANINA

(Sabeànina).

1. Mpanafika nandroba ny fananan’i Joba tany amin’ny tany Oza. Nalain’izy ireo ny ombiny sy ny ampondravaviny, ary novonoiny ny mpanompony. (Jb 1:14, 15) Niresaka ny amin’ny “antokona Sabeanina mpivezivezy” koa i Joba ao amin’ny Joba 6:19.

Sarotra ny mamantatra hoe iza no razamben’ireo Sabeanina ireo, satria olona maromaro no nitondra ny anarana hoe Sheba. Sheba, ohatra, no anaran’ny zanakalahin’i Joksana, zanak’i Abrahama (Ge 25:1-3), ary mety ho taranak’izy io ireo mpandroba sabeanina. Milaza anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa mety ho avy amin’i Sheba taranak’i Kosy, zanak’i Hama ny Sabeanina (Ge 10:6, 7), na mety ho avy amin’i Sheba, zanakalahin’i Joktana, taranak’i Sema.​—Ge 10:21-29.

2. Lehilahy ranjanana resahin’ny Isaia 45:14 fa hiaraka amin’ny mpiasa avy any Ejipta sy ny mpivarotra avy any Etiopia, ary hanaiky an’i Jehovah sy ny vahoakany. Miara-voatonona koa i Ejipta sy Etiopia ao amin’ny Isaia 43:3, saingy “Seba” no ampiasaina ao fa tsy “Sabeanina.” Ny mponin’i Seba àry no natao hoe Sabeanina.​—Jereo SEBA No. 2.

3. Taranak’i Sheba (tsy tena fantatra na avy amin’i Sema na avy amin’i Hama) nanorina fanjakana teny akaikin’ny tendron’ny Saikinosin’i Arabia. Azo inoana fa avy any amin’io faritra io ilay mpanjakavavin’i Sheba nitsidika an’i Solomona. (1Mp 10:1) Sabeanina matetika no iantsoan’ireo boky an’io fanjakana io, ary izany koa angamba no iantsoan’ny Baiboly azy.​—Jereo SHEBA No. 6.

Misy Baiboly manao hoe “Sabeana” ao amin’ny Ezekiela 23:42 (JM), satria izany no fahazoany ilay fanamarihana an-tsisim-pejin’ny Baiboly hebreo. “Mpimamo” (na “mpiboboka”) anefa no ao amin’ilay andininy, ka io no ampiasain’ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina.​—Prot., Kat., TV.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara