SABTEKA
(Sabtèka).
Zanakalahin’i Kosy, ary ny anarany no voatonona fahadimy. Anisan’ny razamben’ireo fianakaviana 70 velona taorian’ny Safodrano izy. (Ge 10:7, 32; 1Ta 1:9) Azo inoana fa nanorim-ponenana tany amin’ny faritra atsimon’i Arabia na tany Etiopia ny taranany, saingy tsy fantatra hoe taiza marina.