FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Safrona”
  • Safrona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Safrona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lisy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fiandrilavenombazaha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hebreo, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ilangilangy — Esansy avy any Amin’ilay Nosy Manitra
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Safrona”

SAFRONA

(safrôna) [heb.: karkôm].

Ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 4:14 ihany no misy hoe karkôm (heb.), izay heverina fa Crocus sativus, voninkazo misy vodiny ahazoana safrona. Toy ny an’ny ahitra ny raviny, ary mamelana rehefa faramparan’ny taona ny voninkazony volomparasy. Voninkazo 4000 eo ho eo vao ahazoana safrona volondaoranjy 28 g monja, ka ny taho ambony amin’ny vavimbony sy ny tendrony no tapahina sy hamainina rehefa mivelatra ny voniny, na aoriana kelin’izay. Atao loko sy laron-tsakafo ny safrona, izay nampiasaina kokoa handokoana ny lamba ho mavo fahiny. Natao fanafody sy ranomanitra koa izy io.

Toa zavamaniry misy vodiny ny hoe havats·tselet (heb.), nadika hoe “raozy”, “lisy”, “voninkazo eny an-tanety”, ary “safrona.” (To 2:1; Is 35:1; ampit. JM, Kat., Prot., TV.) Toa misy fototeny midika hoe “vodin-javamaniry” ilay hoe havats·tselet, hoy i Gesenius, mpanao diksionera hebreo, ka “safrona eny an-tampon-tanety” no tena mifanitsy aminy. (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nadikan’i E. Robinson, 1836, p. 317) Misy ifandraisany amin’ny teny akadianina midika hoe “taho” izy io ka anisan’ny fianakaviamben’ny lisy, hoy ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i Koehler sy Baumgartner.​—Hebräisches und Aramäisches Lexikon zum Alten Testament, Leyde, 1967, p. 275.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara