FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sekoly”
  • Sekoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sekoly
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Marina Momba Ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • ‘Ento Ireo Horonam-boky’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fianarana Misy Zava-kendrena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Tokony Hianatra any An-tsekoly ve ny Zanako?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sekoly”

SEKOLY

Toerana fianarana, ary avy amin’ny hoe skôle (gr.) izay midika hoe “fialam-boly”, ka lasa ilazana an’izay atao rehefa miala voly, toy ny resadresaka, famelabelarana, na fianarana.

Nodidian’ny Mpamorona hampianatra ny zanany momba ny fiainana sy ny fanompoana an’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Ny fokon’i Levy koa no nasainy nampianatra momba ny fivavahana, tany Israely fahiny.​—Jereo FIANARANA, FAMPIANARANA.

Lasa nisy fianarana ambony momba ny Fivavahana Jiosy, tatỳ aoriana. Nianatra teo an-tongotr’i Gamaliela, ohatra, i Saoly (Paoly). Tsy neken’ny Jiosy hampianatra ny lalàn’Andriamanitra izay olona tsy nianatra tany amin’ireny sekoliny ireny.​—As 22:3; Jn 7:15.

Nandaha-teny telo volana tao amin’ny synagogan’i Efesosy i Paoly, satria toerana fianarana ny synagoga. Nisy nanohitra mafy anefa ny vaovao tsara, ka nifindra tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano i Paoly sy ny mpianatra. Nandaha-teny tao isan’andro nandritra ny roa taona izy. Tsy voalaza hoe natao inona io sekoly io. Navela hampiasa azy io anefa i Paoly, angamba ora maromaro isan’andro.​—As 19:8-10.

Sekoly nianarana ny horonam-boky misy ny Soratra Hebreo sy ny asa soratry ny apostoly sy ny namany ny toeram-pivorian’ny fiangonana kristianina. Vitsy ny Kristianina nanana ireny horonam-boky rehetra ireny sy ny taratasy rehetra ho an’ny Kristianina, ka rehefa nivory izy ireo no nandalina sy niara-nidinika azy ireny. (Kl 4:16) Tsy nanana horonana hanoratana koa ny Kristianina mahantra. Azo inoana àry fa teo amin’ny vakin-tanimanga no nanoratany tamin’ny ranomainty ny andinin-teny reny na nadikany avy tao amin’ny horonam-boky tany am-pivoriana, mba hianarany sy hampiasainy. Tsy maintsy niara-nianatra ny Soratra Masina tany an-trano koa ny mpianakavy rehetra. (Ef 6:4; 1Ko 14:35) Tsy nampianatra ny ankizy mitokana, toy ny amin’ny “sekoly alahady” ankehitriny, ny Jiosy sy ny apostolin’i Kristy, sady tsy nanome alalana ny hanaovana izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara