BIBY GOAVAM-BE ANY AN-DRANOMASINA
Io no nandikana ny teny hebreo hoe tannin (tannim, “biby goavam-be any an-dranomasina” ao amin’ny Ezk 29:3 sy 32:2). Natao hoe “bibilava ngezabe” ilay izy, rehefa tsy misy resaka ranomasina na rano (Je 51:34), na rehefa bibilava no resahin’ny teny manodidina. (Ek 7:9, 12; ampit. Ek 4:2, 3.) Ilazana hazandrano lehibe isan-karazany ny hoe tannin (Ge 1:21; Sl 148:7), saingy manana heviny an’ohatra izy io matetika. Miresaka an-kolaka ny fandringanana an’i Farao sy ny tafiny ilay hoe: “[Novakin’i Jehovah] tao anaty rano ny lohan’ny biby goavam-be any an-dranomasina.” (Sl 74:13) Mifanitsy amin’i Rahaba (Ejipta; ampit. Is 30:7) ilay “biby goavam-be any an-dranomasina” ao amin’ny Isaia 51:9, ka mety hanondro an’i Ejipta na Farao. (Ezk 29:3; 32:2) Nanontany i Joba raha “biby goavam-be any an-dranomasina” ny tenany, matoa fefena.—Jb 7:12; jereo LEVIATANA.