FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpahita”
  • Mpahita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpahita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpahita Fahitana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Samoela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nampandroso ny Fivavahana Marina i Samoela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpahita”

MPAHITA

Olona nampahafantarin’Andriamanitra ny sitrapony, na mahalala ny sitrapony. Toy ny hoe nesorina izay nanarona ny masony mba hahitany na hahatakarany an’izay tsy takatry ny ankamaroan’ny olona. Avy amin’ny fototeny midika ara-bakiteny na an’ohatra hoe “mahita” ny teny hebreo hoe rôʼeh, izay nadika hoe “mpahita.” Ny mpahita no nohatonin’izay nanana olana ka nila torohevitra. (1Sa 9:5-10) Nantsoina hoe mpahita i Samoela (1Sa 9:9, 11, 18, 19; 1Ta 9:22; 29:29) sy Zadoka (2Sa 15:27) ary Hanany (2Ta 16:7, 10).

Mitovitovy ny hoe “mpahita” sy “mpaminany” ary “mpahita fahitana” ao amin’ny Baiboly. Ny mampiavaka azy fotsiny dia hoe misy ifandraisany amin’ny fahaiza-manavaka ny hoe “mpahita.” Ny hoe “mpahita fahitana” indray manasongadina ny fomba ahafantaran’ilay olona ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny hoe “mpaminany” kosa mpanambara ny sitrapony. Samy nantsoina hoe mpaminany i Samoela sy Natana ary Gada (1Sa 3:20; 2Sa 7:2; 24:11), nefa avahan’ny 1 Tantara 29:29 toy izao ihany izy ireo: “Ao amin’izay nosoratan’i Samoela mpahita sy Natana mpaminany ary Gada mpahita fahitana.”

‘Mpahita taloha no fiantsoana ny mpaminany.’ (1Sa 9:9) Fantatra kokoa ho mpanambara ny sitrapon’Andriamanitra mantsy ny mpaminany, tamin’ny faramparan’ny andron’ny Mpitsara sy tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Israely (nanomboka tamin’ny andron’i Samoela). I Samoela no voalohany tamin’ireo nantsoina hoe “ny mpaminany.”​—As 3:24; 13:20; jereo MPAMINANY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara