SEFARA
(Sefàra).
Sisin-tanin’ny faritra nonenan’ny taranak’i Joktana. Hoy ny Baiboly: “Ary ny faritra nonenan’izy ireo dia nitatra hatrany Mesa ka hatrany Sefara, izay faritra be tendrombohitra tany Atsinanana.” (Ge 10:29, 30) Lazaina fa any Zafar, any Yémen, any amin’ny 160 km eo ho eo any avaratratsinanan’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Mena, no nisy an’i Sefara. Renivohitry ny fanjakan’ny Himyarita io Zafar io taloha. Misy koa milaza fa any Mahra, tanàna any amin’ny morontsiraky ny Ranomasin’i Arabia, no nisy an’i Sefara. Mbola tsy fantatra anefa ny toerana tena nisy an’i Sefara fahiny.