SALIMA
(Salìma) [Eran-tanan’ila].
‘Faritra’ nandalovan’i Saoly tamin’izy nikaroka an’ireo ampondravavin’i Kisy rainy, izay very. (1Sa 9:3, 4) Tsy fantatra marina izay nisy an’i Salima satria sarotra fantarina ny tena lalana narahin’i Saoly. Misy manam-pahaizana milaza azy io ho ilay “tany Soala” resahin’ny 1 Samoela 13:17. Na ahoana na ahoana dia ilay toerana tany amin’ny tanin’i Efraima no mifanaraka amin’ilay tantara.