FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Salamana”
  • Salamana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Salamana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Arbela, Tranon’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Salmanesera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hosea, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Salamana”

SALAMANA

(Salamàna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mihavana; manonitra; mamaly izay natao”].

Ilay nandroba ny tranon’i Arbela. Notononin’i Hosea ny anaran’izy io, tamin’izy naminany fa hisy loza hanjo ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Marina fa tsy misy andininy hafa miresaka momba an’i Salamana sy Arbela. Mbola tsaroan’izay nihaino an’i Hosea angamba anefa izy ireo, matoa izy niresaka momba azy ireo.​—Ho 10:14.

Misy soratra nataon’i Tiglato-pilesera III hita teo amin’ny trano iray. Noresahiny tao ny momba an’i Salamano, andriana tany Moaba. Tsy resahin’ny tantara anefa hoe nandroba tany Israely izy io.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282.

Heverina àry fa fanafohezana ny hoe “Salmanesera” (anaran’ny mpanjaka dimy tany Asyria) ny hoe Salamana. Azo inoana fa i Salmanesera Faha-5 ilay voaresaka eto. Izy mantsy no nanafika an’i Israely ka nanao fahirano an’i Samaria, tany amin’ny faramparan’ny fotoana naminanian’i Hosea.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara