SHIBOLETA
(Shibolèta).
Teny nahafahan’ny lehilahy gileadita nahafantatra an’izay Efraimita nitady hiampita ny Reniranon’i Jordana, nandritra ny ady tamin’i Jefta. Midika izy io hoe “salohim-bary” na “rano mikoriana.” Toy ny nitolo-batana tamin’ny Gileadita niambina an’ireo toerana fiampitana an’ilay renirano ny Efraimita nitsoaka, satria tsy hainy ny nanonona ilay “sh”, fa nataony hoe “s” (“Siboleta”). (Mpts 12:4-6) Toa tsy nitovy àry ny fanononan’ireo foko ny teny sasany. Mbola toy izany ihany tatỳ aoriana, satria samy hafa, ohatra, ny fitenin’ny Jodianina sy ny Galilianina.—Ampit. Mt 26:73; Lk 22:59.