SIMEITA
(Simeìta) [An’i Simey].
Taranak’i Simey zanakalahin’i Gersona sady zafikelin’i Levy. (Ek 6:16, 17) Rehefa natao ny fanisam-bahoaka voalohany tany an-tany efitra, dia 7500 no voasoratra anarana teo amin’ny Simeita sy ny Libnita (“ireo no fianakavian’ny Gersonita”). (No 3:20b-22) Niara-nitoby “tao andamosin’ny tranolay”, izany hoe tao andrefana, ny Simeita sy ny Libnita. Levita taranak’i Gersona ny Simeita, ka andraikitr’izy ireo ny nilanja sy nanangana ary nikojakoja ny tranolay masina mbamin’ny rakony, ary koa ny fefy lamban’ny tokotany, ny lamba fanakonana ny fidirana mankao an-tokotany sy mankao amin’ny tranolay, ary ny tady fanenjanan-day.—Ek 26:1, 7, 14, 36; 27:9, 16; No 3:23-26.
Efa-dahy ny zanak’i Simey: I Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria. Tsy nanan-janakalahy maro anefa i Jeosy sy Beria, ka nanjary “nisaina ho fianakaviambe iray ary nomena andraikitra iray ihany.” Tamin’ny andron’i Davida izany no nitranga, satria toa nozaraina tamin’ny fianakaviana telo ny anjara fanompoana natokana ho an’ny Simeita tao amin’ny tranolay masina. (1Ta 23:6, 7, 10, 11) Nolazain’ny faminanian’i Zakaria momba an’i Jesosy, fa anisan’ireo fianakaviana hitomany mafy ny Simeita rehefa hijery “an’Ilay nolefoniny.”—Za 12:10-13; Jn 19:37.