FANAZAVANA MAHALIANA
Ny ao Jerosalema sy ny Manodidina
I JEROSALEMA no foiben’ny fivavahana marina tamin’i Jehovah Andriamanitra fahiny. Tsy mitondra ny anaran’i Jehovah intsony anefa ilay tanàna, satria nivadi-pinoana ka tsy nanaraka ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra intsony sady nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia. (Lk 13:34, 35) Mbola mahaliana an’ireo mpankafy Baiboly ihany anefa i Jerosalema, satria nisy zavatra maro tena lehibe nitranga tao.
Asehon’ny sary nalaina avy eny ambony fiaramanidina ireo lafiny mampiavaka an’i Jerosalema. Avy atỳ atsimo no nalaina ilay sary. Erỳ lavidavitra erỳ ny Tendrombohitra Moria, izay nisy ny tempoly. Ny Tendrombohitra Ziona kosa no eto akaiky kokoa: Ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona no eo atsinanany, ary ny Lohasahan’i Tyropoeona no eo andrefany. Teo amin’ny Tendrombohitra Ziona no naorina ny Tanànan’i Davida.
Raha mijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva eo atsinanan’i Jerosalema ny olona iray, ka mitodika miankandrefana any amin’ny Lohasahan’i Kidrona, dia mahatazana ny toerana nisy ny tempoly fahiny izy. (Lasan’ny Silamo io toerana io, ka nanorenan’izy ireo an’ilay antsoina hoe Dôme du Rocher.) “Nahatazana ny tempoly”, ohatra, i Jesosy tamin’izy “nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva”, ary nilaza an’ilay faminaniana malaza momba “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Mr 13:3; Mt 24:3.
Toerana voalaza fa nandevenana an’i Jesosy: Fasana Anaty Zaridaina (ambony) ary Eglizin’ny Fasana Masina (ambany, misy fasana tamin’ny taonjato voalohany ao)
Kitranotrano kely Holyland any Jerosalema, inoan’ny ankamaroan’ny olona hoe sarin’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany
Fasana Anaty Zaridaina (ambony) ary Eglizin’ny Fasana Masina (ambany; misy fasana tamin’ny taonjato voalohany ao anatiny)
Ilay antsoina hoe Vavahadin’i Damaskosy, ao Jerosalema
Lalana ao amin’ny tanàna tranainin’i Jerosalema
Dobon’i Siloama. Mankeo ny rano avy amin’ny loharanon’i Gihona rehefa avy nandalo ny Tionelin’i Hezekia
Lohasahan’i Hinoma, eo atsimo sy atsimoandrefan’ilay Jerosalema fahiny. Gehena no niantsoana azy tamin’ny taonjato voalohany
Dobon’i Siloama tamin’ny taonjato voalohany. Nasain’i Jesosy nankeo ny lehilahy jamba iray mba hisasa amin’izay ho sitrana (Jn 9:7)
Zaridainan’i Getsemane, araka ny lovantsofina
Betania ankehitriny
Tionelin’i Warren. Nanaraka an’io tionelina io ny olona te hisinton-drano tany amin’ny loharanon’i Gihona. Mety ho io tionelina io koa no narahin’ireo miaramilan’i Davida, tamin’izy ireo niditra tao Ziona tanàna voaro mafin’ny Jebosita (2Sa 5:8)
Misy fikarohana atao eo amin’ny ilany avaratra amin’ilay Tanànan’i Davida fahiny
Ilay Rindrina Andrefana ao Jerosalema. Mbola hita eo ireo vato lehibe tamin’ny taonjato voalohany. Maro ny Jiosy tonga mivavaka eo