ANABAVY, RAHAVAVY
Vehivavy iray tam-po amin’ny lehilahy na amin’ny vehivavy hafa. Mety ho iray ray fotsiny izy ireo (Ge 34:1, 27; 1Ta 3:1-9), na iray reny fotsiny, toa an’i Jesosy sy ireo anabaviny.—Mt 13:55, 56; Mr 6:3.
Azo antoka fa nanambady ny anabaviny ireo zanak’i Adama, satria taranak’i Adama sy Eva ny olombelona rehetra. (Ge 3:20; 5:4) Mbola akaiky kokoa noho ny anabavy aza ny vadin’i Adama, satria i Eva ‘taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony.’ (Ge 2:22-24) Tsy nahafa-baraka mihitsy tamin’izany ny nanambady anabavy, na iray tam-po izany na iray ray na iray reny fotsiny. Milaza ny Baiboly, 2 000 taona mahery taorian’izay, fa nanambady an’i Saraha, anabaviny hafa reny, i Abrahama. (Ge 20:2, 12) Noraran’ny Lalàn’i Mosesy anefa izany, 430 taona teo ho eo tatỳ aoriana, ary nambara hoe fanambadiana olom-pady. (Le 18:9, 11; 20:17) Azo antoka fa lasa nampidi-doza ny fanambadiana havana akaiky rehefa nandeha ny fotoana satria efa tena tsy lavorary ny olona fa tsy toa an’i Adama tamin’ny voalohany intsony.
Nantsoina koa hoe “anabavy” na “rahavavy” ny vehivavy teo anivon’ny firenena iray. (No 25:17, 18) Nolazaina hoe mpirahavavy koa ireo firenena na tanàna nifandray akaiky na samy ratsy fitondran-tena.—Je 3:7-10; Ezk 16:46, 48, 49, 55; 23:32, 33.
Ilay teny hebreo hoe ʼahôht (rahavavy) dia nampiasaina koa mba hilazana ny iray tamin’ny zavatra roa niaraka, ohatra hoe ny iray tamin’ny lamba roa nampiarahina rehefa naorina ny tranolay masina, na ny iray tamin’ny elatr’ireo zavamananaina tao amin’ny fahitan’i Ezekiela.—Ek 26:3, 5, 6, 17; Ezk 1:9, 23; 3:13.
Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nilaza i Jesosy fa ny fifandraisana amin’ny mpiray finoana no manan-danja kokoa noho ny fifandraisana amin’ny havana. ‘Anabavy’ no niheverany an’ireo vehivavy nanao ny sitrapon’ny Rainy, ary sarobidy taminy kokoa noho ny havany ireny. (Mt 12:50; Mr 3:34, 35) Mety ho voatery hanapaka ny fifandraisany amin’ny havany ny olona iray noho ilay Fanjakana. Raha vonona hanao izany anefa izy, dia hahazo havana avo zato heny, izany hoe hahazo “anabavy” sy mpianakavy hafa dieny izao, ary “fiainana mandrakizay” amin’ny hoavy. (Mt 19:29; Mr 10:29, 30; Lk 14:26) Antsoina hoe anabavy ara-panahy ireo vehivavy eo anivon’ny fiangonana kristianina.—Ro 16:1; 1Ko 7:15; Jk 2:15.
Heviny an’ohatra. Azo atao toy ny hoe havana akaiky ny fahendrena, satria nampirisika toy izao i Solomona, ilay mpanoratra hendry: “Lazao amin’ny fahendrena hoe: ‘Anabaviko ianao’, ary amin’ny fahiratan-tsaina hoe: ‘Havako ianao.’” (Oh 7:4) Nasongadiny tamin’izany fa tena ilaina ny mankatò ny didin’i Jehovah.