FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sostena”
  • Sostena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sostena
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mitoria Foana ary Aza Mangina”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Galio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Krispo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sostena”

SOSTENA

(Sostèna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mamonjy” sy hoe “tanjaka”].

Mpitantana ny synagogan’i Korinto fony i Paoly nitsidika tao. Mety ho izy no nandimby an’i Krispo izay lasa Kristianina. Notorin’ny Jiosy i Paoly noho ny fampianarany, nefa tsy nety nitsara azy io i Galio Governoram-paritra, ka i Sostena no nosamborin’ny olona sy nokapohiny. “Grika” tsy tia Jiosy ireo olona ireo, hoy ny sora-tanana sasany, fa “Jiosy” kosa, hoy ny hafa. Samy teny nasisika anefa ireo, satria tsy resahin’ny sora-tanana telo tranainy indrindra hoe iza no namely an’i Sostena.​—As 18:8, 12-17.

Mety ho iny fikapohana an’i Sostena iny no nahatonga azy ho lasa Kristianina, sy hiaraka tamin’i Paoly tany Efesosy tatỳ aoriana. Notononin’i Paoly mantsy i Sostena (anarana grika tsy fahita firy), rehefa niarahaba an’ireo Korintianina izy, ary nataony hoe “rahalahintsika” i Sostena.​—1Ko 1:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara