IRAIN-JEHY
Refy miainga eo amin’ny tendron’ny ankibe mankeo amin’ny tendron’ny ankikely, rehefa velarina ny felatanana. (Ek 28:16; 39:9; 1Sa 17:4; Ezk 43:13) Iray hakiho ny roan-jehy, ary intelon’ny sakan’ny felatanana ny irain-jehy. Voaporofo fa nirefy 44,5 sm ny hakiho fampiasan’ny Israelita. (Jereo HAKIHO.) Tokony ho 22,2 sm àry ny irain-jehy.
Nanasongadina ny fahalehibeazan’i Jehovah i Isaia mpaminany matoa nanontany hoe: “Iza no mahavita ... mandrefy ny lanitra amin’ny irain-jehy?”—Is 40:12.